Jeremia 42.7-22

Mofonaina anio: Alahady, faha 24 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 42.7-22
7 Ary nony afaka hafoloana, dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah. 8 Ary izy niantso an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy mbamin'ny olona rehetra, na kely na lehibe, 9 ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa nanirahanareo ahy mba hoborahiko* eo anatrehany ny fifonanareo:[Heb. hampiankohoka] 10 Raha mbola honina amin'ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin'ny loza namelezako anareo. 11 Aza matahotra ny mpanjakan'i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin'ny tànany. 12 Ary hataoko mahita famindram-po ianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any amin'ny taninareo. 13 Fa raha hoy kosa ianareo: Tsy honina amin'ity tany ity izahay, ka tsy hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, 14 fa manao hoe: Tsia; fa hankany amin'ny tany Egypta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon'ny anjomara na hahitanay mosary, ka dia any no honenanay, 15 dia mihainoa ny tenin'i Jehovah ankehitriny ianareo izay sisa amin'ny Joda: Izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha dia mikiry hankany Egypta ihany ianareo ka mandeha hivahiny any, 16 dia hahatratra anareo any amin'ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin'ny tany Egypta, ary any no hahafaty anareo. 17 Ary ny olona rehetra izay mikiry hankany Egypta hivahiny any dia ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana any; ary tsy hisy sisa ho afa-mandositra ny loza izay hataoko mihatra aminy. 18 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Toy ny nanidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin'ny mponina any Jerosalema, dia toy izany no hanidinana ny fahatezerako aminareo, raha mankany Egypta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana sy ho fanozonana ary ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony. 19 Jehovah efa nilaza ny aminareo, ry sisa amin'ny Joda, hoe: Aza mankany Egypta ianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko androany ianareo. 20 Kanjo efa nivily ianareo ka nahavoa ny ainareo tamin'ny nanirahanareo ahy ho amin'i Jehovah Andriamanitrareo hanao hoe: Mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitsika re izahay, ary izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika dia ambarao aminay, fa hataonay. 21 Ary efa nambarako taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ny amin'izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo. 22 Koa aoka ho fantatrareo marimarina fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana ianareo any amin'ny tany izay tianareo hivahiniana.

Jeremia 42.7-22

Na dia dodona mafy aza ireto vahoaka mitebiteby ny hahazo valiny avy amin’ Andriamanitra dia naharitra folo andro vao namaly i Jehovah . Nambarany fa:

1-Manenina ny amin’ny loza i Jehovah :

Aseho hatrany izany rehefa tonga amin’ny fanenenana amin’ny fahotana ny olona . Tsy misetrasetra fotsiny anefa Izy fa vonona indrindra ny hanoro izay làlana tsara sy ety ho an’ny olony . Mahalala ny ho avy Izy ka mahafantatra fa mahatsara ny mponina sisia ny mijanona eo aminn’y taniny . Fibebahana , fihainoana , fankatoavana: zava-dehibe hatrany eo amin’ny fiainan’ny olon’ Andriamanitra ireo .

2-Mahalala ny loza miandry izay tsy mihaino ny teniny koa Andriamanitra.

Ny handositra any Egypta ihany no mahamaika ny olona , satria io no firenena matanjaka heveriny fa afaka miaro azy . Ambaran’ Andriamanitra anefa fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana any izy ireo raha minia mandeha amin’izany . Moa tsy toy izany koa va no ananaran’ Andriamanitra antsika , fa miy ny helo feno fijaliana maharitra mandrakizay ho an’izay minia tsy mandray ny famonjena atolony amin’ny alalan’i Jesoa Kristy (Mat 25.41).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6