Jeremia 38.1-13

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 18 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 38.1-13
1 [Ny nitoeran'i Jeremia tao an-davaka sy ny fara fihaonany tamin'i Zedekia] Ary Safatia, zanak'i Matana, sy Gedalia, zanak'i Pasora, sy Jokala, zanak'i Semelia, ary Pasora, zanak'i Malkia, dia nandre ny teny izay efa nolazain'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra nanao hoe: 2 Izao no lazain'i Jehovah: Izay mitoetra amin'ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; fa ny ainy no ho babony, ka ho velona izy. 3 Izao no lazain'i Jehovah: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa ka ho afany. 4 Dia hoy ny mpanapaka tamin'ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity; fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin'ity tanàna ity mbamin'ny olona rehetra izy noho ny nitenenany taminy araka izany teny izany; fa ity lehilahy ity tsy mba mitady izay hiadanan'ity firenena ity, fa izay hahatonga loza aminy kosa. 5 Dia hoy Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tananareo izy; fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo. 6 Ary naka an'i Jeremia izy ka nandatsaka azy tao amin'ny lavaka famorian-dranon'i Malkia, zanak'andriana, izay tao amin'ny kianjan'ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin'ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin'ny lavaka, fa fotaka fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin'ny fotaka Jeremia. 7 Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin'ny tranon'ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an'i Jeremia tao amin'ny lavaka (nipetraka teo amin'ny vavahadin'ny Benjamina ny mpanjaka androtr'iny), 8 dia nivoaka avy tao an-tranon'ny mpanjaka izy ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: 9 Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon'ity firenena ity tamin'i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin'izay itoerany, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna. 10 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Ebeda-meleta Etiopiana hoe: Mitondrà telo-polo lahy hiaraka aminao hampakatra an'i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy. 11 Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka eo ambanin'ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy, ka nampidininy tamin'ny mahazaka ho ao amin'ny lavaka izany ho ao amin'i Jeremia. 12 Dia hoy Ebeda-meleka Etiopiana tamin'i Jeremia: Ataovy eo ambanin'ny helikao ireto lamba rovitra sy vorodamba ireto ho efitry ny mahazaka, dia nataon'i Jeremia izany; 13 ka dia nosintoniny tamin'ny mahazaka Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka, ary dia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana izy.

Jeremia 38.1-13

Halan’olo fa tian-janahary

1-Halan’olona tokoa i Jeremia

Noho ny faminaniana nataony dia tsy faly tanteraka taminy i Safatia sy Jokala ary iPasora . Niezaka izy ireo mba handresy lahatra ny mpanjaka Zedekia mba hamonoana an’i Jeremia . Notanterahin’izy ireo ny teti-dratsiny noho ny filazan’i Jeremia fa ho levona ny tanàna . Nalatsany tany anaty lavadrano i Jeremia . Moa tsy tandindon’ny fankahalana namonoantsika an’i Jesoa ve izany ka tsy namelantsika raha navarina tany amin’ny fiainan-tsy hita Izy ?

2-Tian’ Andriamanitra i Jeremia

Etiopiana iray no nahare izao fikasana hamono an’i Jeremia izao ka nanao tatitra tany amin’ny mpanjaka , izay nandidy ny amin’ny hanavotana an’i Jeremia . Tsaroana amin’izany ny fiarovan’ Andriamanitra ny olony , izay mampiasa izay azony ampiasaina mba hitondra famonjena ho an’ny mpanompony . Vitan’i Jeremia tononkira mihitsy izay zava-nanjo azy izao ao amin’ny Fitomaniana 3.52 . Nanome toky azy Andriamanitra hoe: »Aza matahotra » . Mahavonjy tokoa ny Andriamanitra izay ivavahantsika . Matokia Azy . Vakio ny Isa 54.17.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6