Jeremia 24.1-10

Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Oktobra 2019
Jeremia 24,1 - 10
1 [Ny amin'ny aviavy roa sobiky] Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka teo anoloan'ny tempolin'i Jehovah, taorian'ny nitondran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona. 2 Ny sobiky iray dia nisy aviavy tsara dia tsara, dia toy ny aviavy mialin-taona; ary ny sobiky anankiray kosa dia nisy aviavy ratsy dia ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny. 3 Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Jeremia? Ary hoy izaho: Aviavy; koa ny tsara moa dia tsara tokoa, ary ny ratsy kosa dia ratsy tokoa ka tsy azo hanina noho ny haratsiny. 4 Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 5 Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin'ity tany ity ho any amin'ny tanin'ny Kaldeana. 6 Fa hojeren'ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin'ity tany ity; ary haoriko izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako. 7 Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy. 8 Ary ny amin'ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain'i Jehovah: Toy izany no hanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin'ity tany ity sy izay mitoetra any amin'ny tany Egypta, 9 eny, hatolotro ho mpanjenjena* sy fiharan-doza any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin'ny tany rehetra izay handroahako azy.[Na: ho fampangovitana] 10 Ary hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritrany tsy ho amin'ny tany izay nomeko azy sy ny razany.

Toy ny fanaony dia mampiasa fanoharana ny Tompo mba hanazavany ny hafatra tiany hampitaina amin’ny mpaminany.Eto dia ny amin’ireo sobiky roa misy aviavy no ampiasainy.Miharihary eto ny fanavahan’ny Tompo ny tsara sy ny ratsy.

1-Ny aviavy tsara : ireo …lasan-ko babo

Mahatalanjona izany.Ireo lasa any Babylona indray no ambara fa tsara. Ireo no hohasoavin’ny Tompo.Fa hojeren’ny masoko izy mba hanasoavàko azy ka hampodiko ho amin’ity tany ity,ary haoriko izy ka tsy horavako ary hamboleko izy fa tsy hongotako(and6),hoy ny Tompo.Mifamatotra amin’ny fiovampo anefa my fisitrihana izany tombotsoa lehibe izany.Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah,dia ho oloko izy ary Izaho kosa ho Andriamaniny,fa hiverina Aminy amin’ny fony rehetra izy (and7).Endrey izany halalin’ny fàmindrampon’Andriamanitra nasehony tamin’ny fahafenoany tao amin’i Jesoa ho antsika (Rom 8.5)

2-Ny aviavy ratsy : ireo tafajanona sy ireo nitsoaka

i Zedekia,mpanjakan’ i Joda sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema sy izay tany Egypta ireo.Ireo no lazain’ny Tompo hoe : hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany izy,ho fandatsa sy ohabolana sy ambentiteny ary fanozonana any amin’ny tany rehetra izay handroahako azy. Ireo ange izany ilay Jiosy niely e, jiosy naditra.

« Raiso ny Tenin’Andriamanitra » Boky faha-6