Jehovah, Mpanjakan’ny Voninahitra sy Tompon’izao Rehetra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 05 Jona 2025
(Sal 93. 1-5/ Hira 150: 2/ Mofonaina / Vavaka / Hira 39: 1)
Salamo 24. 7-10
7 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola*, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra.[Na: mandrakizay] 8 Iza izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery. 9 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,2 mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra. 10 Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.Mizara telo mazava tsara ny firafitry ny Sal 24: Ny maha tompon’izao rehetra izao an’Andriamantira (and 1,2), – ny fepetra hahazoany miditra eo amin’ny fitoerany masina (and 3 – 6) ary ny fidiran’ Andriamanitra, mpanjakan’ny voninahitra (and 7-10). Ao anatin’ity fizarana fahatelo ity ny mofonainantsika, ka mampianatra antsika fa
1. Jehovah no mpanjakan’ny voninahitra (and 7, 9)
Fanontaniana miverina ao amin’ny and 8 sy and 10 ny hoe : « Iza ary izao mpanjakan’ny voninahitra izao? » valin-teny mitovy ihany koa no setriny hoe Jehovah. Miaiky ny mpanao salamo fa Jehovah no tompon’ny fahefana satria: Izy no namorona izao rehetra izao (and 1), Izy no tompon’ny hery (mpiady mahery. mahery tsitoha) ary azy ny fahefana fara-tampony. lo ilay nomena an’i Jesoa (Mat 28. 18) mahatonga antsika hatoky azy tanteraka!
2. Mendrika hajaina Izy (and 7-9)
Sary an’ohatra mendrika baiko ny hoe: « Asandrato ny lohanareo ry vavahady! misandrata ianareo ry varavarana fahagola… », entina maneho fa tokony hanaja an’Andriamanitra amin’ny fanetren-tena feno izao rehetra izao. Tahaka ny inona moa no fanajan’ny olona ny manam-pahefana mitondra azy? Mba hatraiza kosa anefa ny fanajana an’i Jehovah mpanjaka? Nahoana no sahy tsy mampandroso? Nahoana no sahy mandika ny didiny ?
3. Tompon’izao rehetra izao tokoa Izy (and 10)
« Andriamanitra tompon’izao rehetra izao, Izy no mpanjakan’ny voninahitra » hoy ny famaranana. Anterina eto izay voalaza eo am-panombohana hoe: « an’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy…» (and 1). Ahasinkasin’ny mpanao Salamo fa tsy misy azo oharina amin’Andriamanitra na iza na iza mihevitra fa manana harena amam-pahefana!
Fanontaniana:
Ahoana no anehoanao ny maha mpanjakanao an’i Jehovah?
Sampana Sekoly Alahady Foibe