Jehovah ihany no mpamonjy
Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Febroary 2024
Josoa 23. 1-10
Josoa 23. 1-10
1 [Fananarana nataon'i Josoa] Ary rehefa ela, taorian'ny nanomezan'i Jehovah fitsaharana ho an'ny Isiraely ho afaka amin'ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, 2 dia nantsoin'i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana, 3 ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo. 4 Indreo, efa voazarako ho lovan'ny firenenareo tamin'ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin'ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe andrefana. 5 Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. 6 Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, 7 mba tsy hankanesanareo any amin'ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran'ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany; 8 fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany. 9 Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany. 10 Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo.1. Jehovah ihany no mpamonjy (and 3d)
« Fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo ». Novorian’i Josoa avokoa ny tomponandraikitra rehetra sy ny vahoaka rehetra ka nampahatsiahiviny fa tsy nisy famonjena ary tsy nandova ny tany Kanana izy ireo raha tsy Jehovah Andriamanitra ihany no niditra an-tsehatra nanafaka azy ireo; nanomboka tamin’ny fanafahana teo ambany ziogan’ny Egyptiana ka voavotra tamin’ny fanandevozana. Tsy ny herin-tsandry, tanjaky ny miaramila na fahaizana sy fahakingana fa voavonjy satria Jehovah « niady » ho azy ireo.
2. Jehovah ihany no Tompoina (and 6)
« Dia mahereza tsara ianareo mitandrina sy manatanteraka izay efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàn’i Mosesy mba tsy hivilianareo hiala aminy, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia … ny anaran’ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany ». Asongadin’i Josoa mihitsy eto fa tsy mila ary tsy mitady andriamani-kafa ny Israely, fa Jehovah irery ihany no Tompony ary Tompoiny. Tsy mivadi-pinoana ho amin’ny fanompoan-tsampy mahazo vahana eo amin’izao tontolo izao na oviana na oviana.
3. Jehovah ihany no ifikirana (and 8)
« Fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro ». Ny hevitry ny mifikitra dia hoe tsy miala mihitsy na inon-kidona na inon-kihatra; ary ambonin’izany dia hoe mametraka fitokisana feno amin’ Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.
Fanontaniana:
Inona no mahatonga antsika tsy mahatafita ireo amin’ny taranatsika?
Sampana Sekoly Alahady Foibe