JEHOVAH HITSARA ANTSIKA

Mofonaina anio: Alarobia, faha 27 Martsa 2024

Hebreo 10. 26-31

Hebreo 10. 26-31
26 Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, 27 fa fiandrasana mahatahotra amin'ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa. 28 Izay manohitra ny lalàn'i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po; 29 manao ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana? 30 Fa fantatsika Izay nanao hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;" ary koa: "Jehovah hitsara ny olony" (Deo. 32.35, 36). 31 Zavatra mahatahotra ny ho azon'ny tànan'Andriamanitra velona.

JEHOVAH HITSARA ANTSIKA

Raha miverina mamaky hatrany amin’ny and.19 isika dia mahita ny anatra sy antso ho antsika mba hanana faharetana amin’ny fihazonantsika ny finoana satria hantomotra ny andro

1. Aza miverina amin’ny fahotana intsony

Raha olona efa nandray an’i Kristy isika, nefa mbola miverina amin’ny fahotana, dia isika no ambara eto hoe minia manota. Ary dia ambara fa manitsaka an’i Jesoa (and.29). Tonga manao tsinontsinona ny fanoloran-tena izay nataony teo amin’ny hazo fijaliana, izay toerana mahamenatra tamin’izany, ho famonjena antsika. Manamavo ny famorjena sarobidy natolony. Amin’izany dia nataontsika ho zava-tsy mendrika ilay ran’i Kristy nanadiovany antsika. Ary tonga mpikomy amin’ny Fanahy Masina indrindra izay mitondra ny fahasovan’Andriamanitra ao am-pontsika. Fotoana izao handinihantsika tena. Mibebaha ankehitriny.

2. Aza atao tsinotsinona ny famonjeny

Rehefa natolotr’Andriamanitra ho antsika ny famonjena tamin’ny alalan’ny Zanany tiany indrindra, kanefa nolavintsika izany dia tonga fahatezerana eo anatrehany izany. Fahatezerana no miandry antsika amin’izany; satria raha miverina amin’ny fahotana isika dia manombo indray ny Zanany «...nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’ Andriamanitra indray amin’ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana. » (Heb 6.6).

Fanotaniana:

Inona avy ireo karazana fihemorana tokony hotandremana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe