Jehovah dia azo antenaina, mihaino taraina ary tsy mamela ny olony hangaina

Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Novambra 2025

Sal 93.1-5 / Hira 178: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 471:2

Mika 7,7 - 10
7 Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah, Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy. 8 Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin'ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy. 9 Ny fahatezeran'i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin'ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany. 10 Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, Dia ilay nanao tamiko hoe: Aiza Izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; Ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy.

Sal 93.1-5 / Hira 178: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 471:2

Hafatra roa no mifandimby ao amin’ny boky: hitsara sy hanitsy ny olony Jehovah (Mik 1-3; 6.1-7. 7), kanefa koa mampanantena Izy fa hamonjy sy hanarina azy (Mik 4, 5; 7. 8-20). Nambanan’ny miaramila Asyriana i Joda tamin’ny vanim-potoana naminanian’i Mika. Maneho ny hadirin’ny fatokiany an’Andriamanitra ny mpaminany eto, ary azontsika tsoahina avy amin’izany fa Jehovah dia:

«Fa izaho kosa dia hanandrandra an’i Jehovah, Eny, hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho… ». Mihasinkasina tsara avy amin’izao tenin’i Mika izao, fa na dia eo aza ny fisafotofotoana sy ny ambana samihafa dia mbola matoky sy mametraka ny momba azy eo an-tanan’Andriamanitra hatrany izy. Fantany fa Andriamanitra mahery Jehovah, ary tsy misy mahaleo Azy. Ny anarana hoe Mika rahateo dia midika hoe: « Iza no tahaka an’i Jehovah?». Ianao koa, matokia an’i Jehovah na dia mandalo ady mafy sy sarotra tena mahamay aza!

«…Andriamanitro no hihaino ahy…». Entitra ny filazan’i Mika mpaminany fa tsy avelan’i Jehovah ho irery, na sanatria tsy raharahiany akory ny olony. Fa henoiny ny fitarainany, ary tsy raraka an-tany eo anatrehany ny fahorian’ny mpanompony. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa misy mihaino, indrindra raha miatrika ady. Aza misalasala miantoraka amin’ny Tompo, fa mihaino Izy.

Miady ny adin’ny olony Jehovah, Izy no miditra an-tsehatra amin’ny famonjena ny olony sy ny famaliana ny fahavalony. Miandany amin’ny mpanompony hatrany Izy, ary tsy mamela azy ho potraka (and 8b) fa manarina azy hatrany.

Manao ahoana ny fatokianao an’i Jehovah ?