Jehovah Andriamanitry ny tafika
Mofonaina anio: Talata, faha 21 Janoary 2020
JEREMIA 31.35-37
JEREMIA 31.35-37
35 Izao no lazain'i Jehovah, Izay manome ny masoandro ho fahazavana amin'ny antoandro ary ny filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin'ny alina, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany: 36 Raha miova eo anoloako izany filahatra izany, hoy Jehovah, dia hitsahatra tsy ho firenena eo anatrehako mandrakizay kosa ny taranak'Isiraely. 37 Izao no lazain'i Jehovah: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, na mahafantatra ny fanorenan'ny tany ambany, dia Izaho kosa hanary ny taranak'Isiraely rehetra noho izay rehetra nataony, hoy Jehovah.Jehovah Andriamanitry ny tafika
1-Mpahary sy mpandamina izao rehetra izao (and35-36a)
Tanisaina eto fa Andriamanitra no nanao ny voahary manontolo , ary na ny masoandro na ny volana eny amin’ny lanitra dia misitraka ny fifandimbiasan’ny mazava sy ny maizina . Izany hoe: izao rehetra izao dia eo am-pelatànany , arindrany hatramin’ny zava-madinika indrindra , manaraka ny lalàna efa nataony ary tsy mivaona izany . Tsy misy ny ohatran’ny hoe: maizina ny andro ka tsy nazava intsony , fa efa raikitra ny fandaminan’ Andriamanitra , ary tsy misy mahay manova izany . Mitaona antsika hatoky an’ Andriamanitra Tompon’ny fahefana amin’izao voahary rehetra izao izany .
2-Tahaka ny fandaminany izao rehetra izao ny famindrampony (and36-37)
Manambar a ihany koa eto Izy Andramanitra amin’ny alalan’i Isaia fa ny fitiavany sy ny famindrampony amin’ny vahoakany dia tahaka ny fandaminany izao rehetra izao , izany hoe: tsy miova ary tsy hikorontana mandrakizay. Amin’ny alina tsy iposahan’ny masoandro dia toy izany ny famindrampony , tsy hanary ny olony mandrakizay ny Tompo . Fa tahaka ny tsy fiovaovann’y lamina efa napetrany no ts hiovan’ny fitiavany sy ny vahoaka nofidiny . Koa na dia nampitandrina ny olonq tsy hanao izay ratsy eo imasony aza Andriamanitra , na dia mikapoka aza Andriamanitra dia mbola mampanantena fitiavana sy famindrampo tsy hita lany . Porofon’io fitiavany io no nanomezany an’i Jesoa Kristy zanany ho an’izao tontolo izao (Jao 3.16).
Fanontaniana:
Maninona àry no mbola tsy matoky ny fitiavan’ Andriamanitra ny olona ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM