Izay tokony hataon’ny Kristiana.
Mofonaina anio: Alarobia, faha 15 Mey 2024
Galatiana 6. 1-10
Galatiana 6. 1-10
1 Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza*, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany. [* Na: azo olan-tanana amin'izay fahadisoana aza] 2 Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy. 3 Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy. 4 Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin'ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin'ny olon-kafa; 5 fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra. 6 Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an'izay mampianatra. 7 Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. 8 Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy. 9 Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. 10 Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.Izay tokony hataon’ny Kristiana.
Manana andraikitra sy adidy ny Kristiana, amin’ny maha mpanara-dia an’i Kristy azy, araka izay hita eto:
1- Amin’ny mpino namany (and.1,2):
Mampalahelo ny mahita olona milaza ho kristiana, kanefa faly amin’ny fahavoazan’ny sasany. Tsy tokony hotononina sy asiana teny betsaka eto izany, fa sady mahamenatra no manala baraka ny anaran’i Kristy. Raha misy nanota dia tsy anjarantsika ny manameloka azy; fa ny « manangana » azy, izany hoe: ny mitarika azy am-pitiavana mba hahatonga azy hahatsiaro ny fahotany ka hibebaka sy hanolo-tena ho an’i Jesoa Kristy no atao (and.1). Toy izany koa, adidin’ny Kristiana ny manampy ny sahirana, ny marary, na azom-pahoriana, na manana olana (and.2). Asa soa izany ka tsy mandreraka rehefa atao am-pitiavana. Mamaly soa izay nanao sy mbola manao toy izany ny Tompo (and.9).
2- Amin’ireo mampianatra ny Tenin’Andriamanitra (and.6-8)
Manana adidy hanampy sy hanohana ny mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra ny mpino. Tsy tokony hijaly na hiferin’aina noho ny fotoana sy ny herim-po nolaniany amin’ny fampianarana izy ireny. Andraikitr’ireo izay ampianarina ny manohana azy mba hahafahany manao izany amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana. Izay milaza ho mpivavaka manana ny Fanahy kanefa manda tsy hanao izany, raha misy ihany azo atao, dia mamafy fitiavan-tena, ary hijinja fahasimbana (and.8). Raha ny Fanahin’Andriamanitra tokoa no mitoetra ao amin’ny olona, dia ho hita taratra eo amin’ny fiainany ny vokatr’izany, ka hahatsiarovany ny adidiny ho fitahiana ho an’ny mpiara-belona, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.
Fanontaniana:
Inona avy ny olana atrehin ‘ny mpitondra fivavahana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe