Izay rehetra mino an’i Jesoa Kristy dia:
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 08 Aprily 2024
Jaona 12. 44-50
Jaona 12. 44-50
44 Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy. 45 Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy. 46 Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy. 47 Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. 48 Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany, 49 satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. 50 Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko.Izay rehetra mino an’i Jesoa Kristy dia:
1- Miaina sy manana ny mazava
Azo ambara hoe efa lasa lamaody mihitsy ankehitriny ny fanononan- tena ho kristiana sy ny fidirana ho mpivavaka ao amin’ny Fiangonana. Ny Fiangonana moa amin’izany dia azo lazaina hoe maniry tahaka ny anana ny fiorenany etsy sy eroa. Ny tokony ho izy àry, rehefa maro tahaka izany ny Kristiana dia tokony hilamina tsara tokoa ny fiainan’ny olona amin’ny ankapobeny. Ary izany zavatra izany indrindra no lazaina hoe ny fahazavana izay omen’i Jesoa Kristy izay mino Azy rehetra. Mifanohitra amin’izany anefa no misy satria maro be ny isan’ny Kristiana kanefa ny zavatra tsapa dia lavitra izany fahatsarana sy fialaminana ary fiadanana izany ny fiainana ankehitriny. Heverina fa ny mahatonga izany dia tsy tena ao anatiny akory i Jesoa Kristy, tsy miaina sy mivelona ary miasa amin’ny maha kristiana akory ny maro fa Kristiana amin’ny endrika ivelany fotsiny. Mila mandini-tena izany ireo milaza tena ho kristiana eo anatrehan’izany ary mila mino sy resy lahatra amin’ny maha kristiana marina tokoa.
2- Mankato ny teny
Ny olona mino an’i Jesoa Kristy dia mandeha sy miaina amin’ny mazava, araka ny nambara teo ka amin’izany dia tsy maintsy mifanerasera amin’ny Tenin’Andriamanitra izy. Ary ny Teny re ihany koa dia tsy maintsy ankatoavina fa tsy renesina fotsiny akory. Izay tsy mankato ny teny mantsy dia mamitaka ny tenany ihany (jereo Jak 1. 22) ary tsy manam-pahasambarana akory (jereo Lio 11. 28)
Fanontaniana:
Mifanaraka ve ny finoana an’i Jesoa sy ny fiainana ny mazava ary ny fankatoavana ny tenin’ Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe