Izay mitana mafy ny finoana

Mofonaina anio: Alarobia, faha 31 Aogositra 2022

1 PETERA 5.5-9

1 PETERA 5.5-9
5 Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona*. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34). [* Gr. presbytera] 6 Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro; 7 ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55.22). 8 Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 9 tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.

Izay mitana mafy ny finoana dia :

1-Misikina fanetrentena

Toetra tokony hampiavaka ny olon’Andriamanitra ny fanetrentena : manetry tena ho ambany noho ny hafa .Tsy miseho ho manambony tena fa mietry ambany dia ambany tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy , na dia Andriamanitra aza Izy dia nietry hatraty amintsika . Ny hoe : misikina dia : mamatotra lamba amin’ny vatan’ny tena , mamatotra lamba fotsy kely na aron’akanjo eo ivelan’ny fitafiana mba hamantarana anao hoe : mpanompo .I Petera dia mampirisika antsika mba hisikina fanetrentena , mba hamantarana antsika ho mpino mitana mafy ny finoana an’i Kristy ary hahazoantsika ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanampiany (and5-7).I Jesoa Kristy koa nisikina lamba famaohana ary nanasa ny tongotr’ireo mpianany (Jao 13.4-5) . Mpanompon’Andriamanitra isika .Mahaiza manetry tena .

2-Tsy hanana ahiahy

Manoro hevitra ny mpino i Petera mba hatoky an’Andriamanitra , tsy hanahiahy foana amin’izay atrehana . Asain’i Petera mifehy tena izy ireo ary ho mailo satria miremby ny fahavalo ( and8 ) .Tokony hijoro tsara amin’ny finoany , ka tsy hiala an-daharana rehefa manafika ny fahavalo .Tsy irery izy ireo fa ao Andriamanitra miahy azy . Ary tsy mitsahatra miahy ny zava-boahary tsy ankanavaka izy (Sal 104.145). Mazava ny Tenin’i Jesoa raha manantitrantitra Izy fa Andriamanitra no miahy ny voro-manidina sy ny voninkazo eny an-tsaha (Mat 6.26-30/10.29) .koa aza manana ahiahy fa tano mafy ny finoana ,miorena tsara , aza miova.

Fanontaniana :

Hatraiza ny fanetrentenanao satria mpanompo ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM