Izay mijoro amin’ny finoana dia :
Mofonaina anio: Alarobia, faha 23 Aogositra 2023
MARKA 6.25-34
MARKA 6.25-34
25 Dia niditra faingana niaraka tamin'izay izy ho ao amin'ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa. 26 Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka nihinana teo, dia tsy sahy nandà azy izy. 27 Ary niaraka tamin'izay ny mpanjaka dia naniraka mpiambina, ka nasainy nentiny ny lohan'i Jaona. Ary dia nandeha izy, ka notapahiny tao an-tranomaizina ny lohany. 28 Dia nentiny teo an-dovia ny lohany ka nomeny an-drazazavavy; ary razazavavy kosa dia nanome azy an-dreniny. 29 Ary rehefa nandre izany ny mpianany, dia tonga ka naka ny faty ary nandevina azy. 30 Ary ny Apostoly niangona teo amin'i Jesosy ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin'izay nampianariny. 31 Ary hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza). 32 Dia nandeha an-tsambokely izy hitokana any an-tany foana. 33 Ary ny olona nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an'i Jesosy, dia niala avy teny amin'ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety*, dia tonga talohany.[*Na: nandeha tongotra] 34 Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.Izay mijoro amin’ny finoana dia :
1-Hosamborina
Naiditr’i Heroda am-ponja i Jaona mba hanginany. Tsy mahazaka ny fahamarinana ny amin’ny fampianaran’i Jaona i Heroda ka nilaza hoe : diso ianao ( and17,18 . Tsy mizaha tavan’olona ny làlan’Andriamanitra fa mitovy avokoa na ny ambony na ny ambany. Tsarovy fa izay milaza ny marina sy sahy mijoroa amin’izany dia hosamborina ary ampidirina am-ponja. Ny olona milaza ny marina sy mijoro hatramin’ny farany noho ny amin’ny teny fahamarinana dia tsy maintsy hosamborina ka ampidirina am-ponja ihany koa.Tandra vadi-koditra teo amin’ny filazana ny marina ny fisamborana izay efa nihatra tamin’ny maritioran’ny finoana. Ianao koa dia mety hosamborina satria milaza ny marina .Mahereza àry , aza mihemotra !
2-Hovonoina
Nahasorena an’i Herodiasy ny toritenin’i Jaona ka nanaovany an-dolompo tsy maty. Na dia teo aza ny fiarovana nataon’i Heroda dia niafara tamin’ny famonoana sy fanapahan-doha an’i Jaona ny tanjona nokendren’ireto nandritra ny fanasana izay nataony .Tranga mety hahazo izay mijoro ho vavolombelona amin’ny finoana koa ny toy izao nahazo an’iJaona izao. Tsaroantsika izay nahazo ny maritioran’ny finoana toa an-dRASALAMA , dia ny nanjo azy ireny tamin’ny fanenjehana maro izay niafara tamin’ny famonoana .
Fanontaniana :
Misy kristiana matahotra fisamborana ve ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM