Izay mijoro amin’ny finoana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 21 Aogositra 2023

LIOKA 12.1-7

LIOKA 12.1-7
1 Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema* ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.[*Na: niteny tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Ambony indrindra, mitandrema] 2 Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. 3 Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano. 4 Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany. 5 Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo*, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.[*Gr. Gehena] 6 Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. 7 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.

Izay mijoro amin’ny finoana

1-Aoka tsy hihatsaravelatsihy

Mampitandrina ny mpianany i Jesoa eto mba tsy ho azon’ny masirasiran’ny Fariseo dia ny fihatsarambelatsihy mba tsy ho tratran’izany ny fiainany sy ny asa fanompoany .Ny fihatsarambelatsihy mantsy dia fanehoana ho izao na izao , nefa ianao tsy izany tsinona.Toe-panahy tsy tokony ananan’ny mpitory Filazantsara izany . Mampitandrina ny Tompo satria ny fahotana miafina dia mbola hiharihary . Izay atao mangingina ao ambadiky ny varavarana mihidy dia tsy maintsy mbola haseho miharihary ihany koa (and 2,3) .Ny fihatsarambelatsihy dia marika hahafantarana fa tsy matahotra an’Andriamanitra ilay olona , sady tsy manana ny Fanahy Masina ihany koa . Ny fanahin’ny satana no ao aminy .

2-Matahora an’Andriamanitra

Mialohan’ny hisedrana olana amin’ny fahatahorana dia miantso ny mpianatra hoe: « sakaizako » i Jesoa ,izay hanehoana fa sady tena akaiky ny mpianany izy no tia azy ireo koa. Avahan’i Jesoa tsara ny tahotra izay mamatota sy izay manafaka eto .Matahotra ny demonia isika nefa tsy manana hery handefa antsika any amin’ny afobe ireny .Zava-dehibe ny fatahorana izay manana hery handefa antsika any amin’ny afobe rehefa maty dia Andriamanitra .Koa matahora Azy , mijoroa vavolombelona mba ho fianarana ho an’ny hafa satria mpianatry ny Tompo koa isika .

Fanontaniana :

Azo atao ve ny mihatsaravelatsihy eo amin’t fanompoana niantsoan’ny Tompo anao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM