Izay miandry an’i Jehovah
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 25 Novambra 2021
ISAIA 49.22-26
ISAIA 49.22-26
22 Izao no lazain'i Jehovah Tompo; Indro, hanandratra ny tanako amin'ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin'ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakaovavy ho entiny eny an-tsorony. 23 Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao, ary zanakavavin'andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin'ny tongotrao; Dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry Ahy. 24 Azo alaina eny amin'ny mahery va ny sambotra? Na ho afaka va ny babo marina? 25 Nefa izao no lazain'i Jehovah: Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon'ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin'izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao. 26 Sady hampihinaniko ny nofon'ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon'ny ran'ny tenany ihany ireny, toy ny amin'ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.Izay miandry an’i Jehovah
1-Dia tsy ho menatra mandrakizay (and23)
Na dia mbola any Babylona aza ny Jiosy teto dia omen’i Jehovah toky ihany mba hiandry Azy . Mazava ho azy ,tsy maintsy hoe : izay maharitra miandry Azy hatramin’ny farany no tsy ho menatra . Ny hoe : « tsy menatra« dia izay mahita laza sy voninahitra , satria toy ny zanak’andriana no fomba hitondrany azy ireo araka ny hitantsika eo amin’ny andininy faha23 .Jehovah rahateo no mpanjaka , mahefa izao rehetra iza . Izy no hitondra azy ireo toy ny zanany . Asain’i Jehovah hanompo ireo zanany ny firenena Jentilisa rehetra ary tanteraka tokoa izany tamin’ny fotoana izay nanjakan’i Kyrosy mpanjaka Jentlisa izay nampamoaka lalàna ho an’ny Jiosy mba hiverina any amin’ny taniny .
2-Dia novonjeny amin’ny tànan’ny fahavalony (and 25)
Tsy nanary ireo olony ireo Jehovah Andriamanitra na dia teo aza ny ditra izay nahalasan-ko babo azy ireo . Tsy nohadinoiny ny fanekena izay nifanaovany tamin’ireo ka izay niady taminy sy nampahory azy ireo dia toy ny miady Aminy . Izy no mirotsaka miady ho an’ny vahoakany . Toy izany koa izay mitsangana ho fahavalontsika dia mitsangana ho fahavalony . Hoy ny voalaza ao amin’ny Zakaria 2.10 : » Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony »
Fanontaniana :
Efa nahatsapa tokoa ve isika fa tsy menatra izay rehetra miandry Azy ? Efa nanana faharetana toy izany ve isika ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM