Izay matahotra an’i Jehovah

Mofonaina anio: Talata, faha 09 Jona 2020

SALAMO 34.11-32

SALAMO 34.11-32
11 Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo. 12 Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa, 13 Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. 14 Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany. 15 Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. 16 Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy. 17 Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. 18 Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy. 19 Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany. 20 Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza. 21 Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina. 22 Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.

Izay matahotra an’i Jehovah

Toy ny lehilahy iray , ray aman-dreny miresaka amin’ny zanany ny mpanao Salamo eto .Mampianatra azy ireo fahatahorana an’Andriamanitra .Anisan’ny zavatra iray ampianarin’ny Soratra Masina tokoa ny fahatahorana an’Andriamanitra .Izay matahotra an’Andriamanitra dia :

1-Miaro tena amin’ny ratsy (and13,14)

Misy zavatra izay asain’ny mpanao salamo atao eto.Misy kosa izay tsy avelany atao:-Tsy azo atao :ny teny fitaka,manao ratsy .Ampirisihana kosa mba hanao soa , hitady fihavanana ,mba tsy hahatonga antsika hanao ratsy dia mila manao zavatra tsara .Ho voataona hanao ratsy ihany mantsy ny olona raha toa ka tsy miezaka manao izay mahasoa izy . Manamafy izany i Paoly raha niteny hoe: « …ka araraoty ny andro azo hanaovan-tsoa , fa ratsy izao fiainana izao  » (Efes 5.16).

2-Manao ny marina (and 15,17,19,20,22)

Ny fijoroana amin’ny fahamarinana , ny fanaovana ny marina dia ahitana vokatsoa avy amin’ny Tompo : tsinjovina, henoina,vonjena,arovana, tsy helohin’Andriamanitra . Mampianatra antsika ny mpanao Salamo fa tsy mba mahafaty antoka na oviana na oviana ny manao ny marina . Ary ezaka tsy maintsy ataon’ny mino izany mba hahafahany misitraka ireo tombotsoa marobe avy amin’Andriamanitra .Marina izay voalazan’i Paoly hoe: « Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovantsoa isika , fa amin’ny fotoana andro no hijinjantsika , raha tsy reraka isika  » (Gal 6.9) . Meteza ho tànan’Andriamanitra hanasoa ny hafa mandrakariva , toa an’i Jesoa teto amin’izao tontolo izao.

Fanontaniana :

Inona no tombotsoan’ny fahatahorana an’ Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM