Izay mankato ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 16 Novambra 2021
Lioka 6. 43 - 49
Lioka 6. 43 - 49
43 Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara. 44 Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy* amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroy.[*aviavimbazaha] 45 Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany. 46 Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko? 47 Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankatò azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy: 48 Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin'ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana* izy.[*Na: naorina teo ambonin'ny vatolampy izy] 49 Fa izay mandre, fa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin'ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin'izay izy; ary loza ny naharavan'izany trano izany.Izay mankato ny Tenin’Andriamanitra
1- Dia mahay miteny mendrika ( and 45a, d )
Ny fo no mibaiko ny lelantsika sy ny fihetsika ataontsika. Ny fankatoavana ny Tenin’Andriamnitra dia mila faneken’ny fo vao mora tanterahina. Rehefa tiana ny olona iray dia mora kely mihitsy ny manatanteraka ny teniny. Noho izany, rehefa tiantsiaka ny Tompo dia tsy manahirana antsika ny mankato ny Teniny ary tsotra ny mifehy ny vavantsika. Aoka ho fantatsika àry, fa hita ho azy amin’ny alalan’ny fitenintsika izay ao am-potsika na tsara na ratsy. Hoy ny 1 Pet.3. 10 : « Na iza na iza maniry fiainana sy ta hahita andro soa, aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy ary ny molony tsy hiteny fitaka »
2- No tafatoetra tsara ka tsy miraika mihitsy ( and 47-48 )
Matoa ny olona misahirana mihitsy ka mihady lalina raha hanao ny tranony dia misaina sy mitsinjo lavitra mba tsy hanenenana. Mila finiavana sy fahazotoana izany. Toy izany koa izay rehetra mankato ny Tenin’Andriamanitra dia misaina, mitsinjo lavitra, ka n’inona n’inona mitranga dia tsy manenina mandrakizay izy, tafatoetra ny fony. Tsy matahotra izay zavatra hitranga satria azo antoka ny Tenin’Andriamanitra fa tsy toy ny an’ny olombelona. Hoy ny Salamo 125. 1 : » Izat matoky an’i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika fa mitoetra mandrakizay ».
Fanontaniana:
Raha matoky Azy àry isika, mbola hapiseho fitaintainana ve isika eo antrehan’ny zava-mitranga sa ho tony tsara ?
SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM