Izay mankato ny tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 19 Novambra 2021
Matio 7. 24 - 29
Matio 7. 24 - 29
24 Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy. 25 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin'ny vatolampy. 26 Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika. 27 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany. 28 Ary nony efa vitan'i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, 29 satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.Izay mankato ny tenin’Andriamanitra
1- Dia olona misaina mahalala ny tanjon’ny fiainany ( 24,25)
Ny olona misaina dia izay mametraka ny ho aviny amin’izay azo antoka, toy ny lehilahy manorina ny tranony ambony vatolampy Izany no atao hoe : lehilahy hendry. Matoa ny olona iray manapa-kevitra ny hankato ny Tenin’Andriamanitra dia efa nosaininy tsara fa ny Tenin’Andriamanitra dia tsy ho levona mandrakizay fa tsy mba toy ny tenin’olombelona izay tsy azo hitokiana . Tsy misy eritreretiny intsony ny ho aviny ka dia tafatoetra ery ny fony. Ny toetran’Andriamanitra izay ‘mandrakizay » no antoka iorenan’ny fahatokiantsika Azy. Ao ihany koa ny maha Tompon’izao rehetra izao Azy, izany hoe tsy misy tsy ananany sy tsy hainy.
2- Izay tsy mankato kosa dia adala tsy mba mahay mijery lavitra ( and 26,27)
Tsy iadian-kevitra fa adala ny olona manorina ny tranony ambony fasika. Tena mitovy amin’izany mihitsy izay tsy mankato ny Tenin’Andriamanitra . Mihevitra ny hahita fahasambarana ivelan’Andriamanitra. Tsy inona izany fa ny fahendren’olombelona, ny harena mora miova sy mety lany, ny fahafinaretana mandala sns… Izay mety heveriny ho fiadanana, nefa mandiso fanantenana. Tsy fantany anefa fa Jesoa Kristy no Tompon’ny fiadanana. Izao tontolo izao dia tsy hitondra fahasambarana maharitra na oviana na oviana. Hoy ny voasoratra ao amin’ny 1 Jaona 2. 17 : » Ary mandalo izao tontolo izao sy ny filàny fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay ».
Fanontaniana :
Fantatrao tsara ve izay itokianao ny ho amin’ny ho avinao ?
SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM