Izay manao asa marina
Mofonaina anio: Talata, faha 17 Aogositra 2021
OHABOLANA 14.22-27
OHABOLANA 14.22-27
22 Tsy mivily va izay manao asa* ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an'izay manao asa** tsara. [*Na: misaina ny][**Na. misaina ny] 23 Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona. 24 Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan'ny adala dia fahadalana ihany. 25 Ny vavolombelona marina mamonjy ain'olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka. 26 Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana. 27 Ny fahatahorana an'i Jehovah no loharanon'aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.Izay manao asa marina
Ny manao asa tsara dia azo adika koa hoe : « asa marina , tsy misy hosoka » . Ambara amintsika ary fa izay manao asa marina dia :
1-Vavolombelona mamonjy ain’olona
Hevitra mirazotra mifanohitra no hitantsika eo amin’ ny and 22,23. Na eo aza anefa izany rehetra izany , ny vavolombelona marina dia mamonjy ain’olona . Nahoana ? satria rehefa betsaka loatra ny mpamitaka ,mpandainga dia mety hiharam-boina ny ain’ny tsy manan-tsiny . Noho izany dia mamonjy ain’olona mihitsy ny vavolombelona iray milaza ny marina. Ny filazana ny marina no famonjena ny ain’ny maro . Moa tsy izany va no nanjo an’i Jesoa Kristy , Ilay vavolombelon’ny fahamarinana . Ianao koa dia vavolombelona hilaza ny asa marina eo amin’ny sehatra anirahan’ny Tompo anao ho famonjena ny hafa .
2-Feno fahatahorana an’Andriamanitra
Ny mpanoratra dia manambara amintsika fa tombony azon’ny marina amin’ny fahatahorana an’i Jehovah ny mahazo fialofana sy fiarovana ka tsy ho an’ny tenany ihany fa ho an’ny ankohonany koa . Hamafisina koa fa loharanon’aina , manafaka amin’ny fandriky ny fahafatesana . Izay marina , miorina tsara ho feno fahatahorana an’i Jehovah dia manalavitra ny ratsy . Koa raha asa tsara no ataonao (asa marina) . Ny fahatahorana an’i Jehovah atao lohalaharana , ary izany koa no fiandoham-pahendrena .
Fanontaniana :
Ny manao soa tsy mba matiantoka . Hainao ve ny manatanteraka izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM