Izay manana ny fahazavan’ny Tompo dia:
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 18 Aprily 2024
2Korintiana 4.1-6
2 Korintiana 4,1 - 6
1 Ary amin'izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka. 2 Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra. 3 Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin'izay ho very izany, 4 izay nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra. 5 Fa tsy ny tenanay no torinay, Fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay mpanomponareo noho ny amin'i Jesosy. 6 Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny fahazavan*'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy.[*Na: hampisehoana]2Korintiana 4.1-6
Izay manana ny fahazavan’ny Tompo dia:
1-Mandà ny asa miafina misy fitaka
Ambaran’i Paoly ary amafisiny eo amin’ny and 2 ny fandávany ny amin’izay endrika hisehoan’ny fitaka ataon’ny fahavalon’ny Tenin’Andriamanitra ka hoy izy hoe « fa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra na manatsatso ny tenin’Andriamanitra. Nasehon’i Paoly teo amin’izay tontolo nanirahana azy ny manambara ny fahamarinana dia ny Tenin’Andriamanitra; ary nampirisihany ny rehetra koa izany. Isika izay efa nohazavain’i Kristy mitoetra ao amin’ny mazava, ambarao amin’ny manodidina anao ny fahazavany mba hananany fiainana feno fahazavana, ary meteza ianao ho vavolombelon’izany. Aoka hazava eo imason’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra izay atao, halaviro ny asa miafina misy fitaka.
2-Tsy mahay manandra-tena
Miorina ao amin’i Kristy izay torian’i Paoly (miivo ao amin’i Kristy) araka izay ambarany eo amin’ny and 5 hoe: « fa tsy ny tenanay no torianay fa Jesoa Kristy Tompo ». Tsy mba nanandra-tena i Paoly tao anatin’ny fanompoana izay nekeny, fa Jesoa Kristy no nasandrany. Maneho ny maha Tompon’ny fahefana fara tampony an’i Jesoa ny Apostoly. Ho antsika izay manana ny fahazavana avy amin’ny Tompo ihany koa dia tokony tsy ho feno fanandratan-tena amin’izay atao; tsy mahasoa ny mpanompon’ Andriamanitra izany.
Fanontaniana:
Tamin’ny fahamarinana ve nanaterahanao ny asa fanompoanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe