Izay manaiky an’i Jesoa dia manaiky an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 07 Desambra 2020

1 JAONA 2.20-25

1 JAONA 2.20-25
20 Fa ianareo kosa manana hosotra avy amin'ilay Masina ka mahalala ny zavatra rehetra. 21 Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsi-fisiana lainga avy amin'ny marina. 22 Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy*, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. [* Na: ilay antikristy] 23 Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa. 24 Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo. 25 Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay.

Izay manaiky an’i Jesoa dia manaiky an’Andriamanitra

1-Tokana Andriamanitra

Efa hatramin’ny andron’ny kristiana voalohany no efa nisy ireo antikristy , ary misy mandraka androany izy ireo . Tsy hoe ny tsy mpivavaka ihany no ao anatin’izany fa misy koa ireo mpivavaka nefa tsy manaiky , tsy mino an’i Jesoa Kristy . Ambaran’ny Soratra Masina eto anefa fa ny olona toy izany dia tsy miaina ao amin’ny marina fa mpandainga satria ny marina dia izao : tokana ihany Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina ka ny fandavana an’i Jesoa tsy ho Kristy na Mesia dia midika ho fandavana an’ Andriamanitra Ray sy ny Fanahy koa . Izany indrindra no anambaran’ny Soratra Masina eto fa  » izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa » . Koa tomoera tsara amin’ny finoana izay efa nampinoana antsika fa aza mety ho rebireben’ireo rivo-pampianarandiso samihafa .

2- Manome fiainana Andriamanitra

Izay rehetra mijoro tsara amin’izany finoana marina ny maha-tokana an’ Andriamanitra izany dia mahazo antoka fa manana anjara amin’ny fiainana mandrakizay , araka ny teny fikasana nataon’Andriamanitra rahateo . Fiainana mandrakizay izay santarina dieny izao sahady , ary iainana amin’ny fahafenoany tanteraka kosa rahatrizay ka tonga ny fotoana voatendrin’ Andriamanitra hiafaran’izao tontolo misy iainantsika ankehitriny izao . Fototra ahafahantsika mandray ny fiainana mandrakizay omen’ Andriamanitra araka izany ny finoana . Koa aoreno mafy tsara izany .

Fanontaniana :

Inona avy no azontsika atao hanehoana ny finoantsika ?

Sampana Sekoly Aalahady FJKM