Izay hiorenan’ny mino

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 24 Aprily 2021

NOMERY 17.9-14

NOMERY 17.9-14
9 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 10 Mialà amin'io fiangonana io handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy. 11 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Alao ny fitondran'afo, ka asio afo avy eo ambonin'ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin'ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin'i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana. 12 Dia nalain'i Arona izany, araka izay nandidian'i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan'ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin'ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an'ny olona. 13 Dia nijanona teo anelanelan'ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana. 14 Ary izay efa matin'ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin'i Kora.

Izay hiorenan’ny mino

1 – Amin’ny alalan’ny vavaky ny mpanompo

Raha nikomy teo anatrehan’Andriamanitra ny zanak’Israely, nimonomonona tamin’i Mosesy, izay noheverina ho tompon’andraikitra teo amin’ny vahoaka , sy izay zava-niseho. Na dia nisy aza ny fikasan’Andriamanitra hanafay azy ireo, I Mosesy sy Arona kosa dia nivavaka sy niankohoka teo anatrehan’Andriamanitra mba hitondrana ny fifonana, ary koa mba hiorenan’izy ireo satria olom-boavotra.

2 – Fanaovana fanati-pamelan-keloka

Na dia teo aza ny fanapahan-kevitr’Andriamanitra ho mariky ny fitsarana ny vahoaka , dia afaka nanao fanati-pamelan-keloka ho an’ny vahoaka noho ny fahotana izay nataony i Mosesy sy Arona. Ny mpanompony dia mitondra mandrakariva eo anatrehan’Andriamanitra ny fahotan’ny vahoaka , ary mifona sy mivalo ho azy ireny mba hamelana ny helony . Tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy izany, ka nitondrany ny helotsika teo amin’ny hazofijaliana. Ny tenany mihitsy no nataony fanatitra mba hanavotana antsika .

3 – Amin’ny fanelanelanana ataon’ny mpanompony

Aseho miharihary eto ny andraikitry ny mpisorona amin’ny maha – mpanelanelana azy eo amin’ny vahoaka sy Andriamanitra. Ambara eto ny toeran’i Arona izay nijoro teo anelanelan’ny velona sy ny maty, nanakana ny fitomboan’ny isan’ny maty teo amin’ny vahoaka. Ny mpino miorina ao amin’ny Tompo dia manana adidy goavana tahaka izay nataon’i Arona eto. Ny fiangonana no solo-tenan’i Kristy eto an-tany hitondra ny hetahetan’ny mpino ao amin’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Hatraiza ny fanekenao ireny mpisoron’Andriamanitra ireny?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM