Izay andrasan’ny Tompo amintsika
Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Septambra 2020
MARKA 12.1-12
MARKA 12.1-12
1 Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy. 2 Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin'ny mpiasa tany handray amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka. 3 Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina. 4 Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy. 5 Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty. 6 Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy. 7 Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova. 8 Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka. 9 Koa ahoana no hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka amin'izany? Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. 10 Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masina izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; 11 Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22, 23.) 12 Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin'izany fanoharana izany; dia nandao an'i Jesosy ny olona ka lasa.Izay andrasan’ny Tompo amintsika
1-Ny fanajana ny fanekena
Nanaiky hanofa tanimboaloboka ny mpiasa tany voalaza eto. Misy ny fotoana nifanarahana tamin’ny tompontany mba hanefana ny hofany . Indrisy anefa fa fisamborana ny iraka no nafitsok’ireto mpanofa . Mpivadika , tsy azo itokisana . Izany no ilazana ireto mpanofa ireto . Fihetsika mandiso fanantenana ny Tompo tsotra izao izany . Nanafatra antsika izy mba hiasa sy hitandrina ny saha (Gen 2.15), saingy tsy araka izany no ataontsika.
2-Ny fialana amin’ny herisetra
Fahatsorana , fahaizana mandray olona, fihanoana, fanatanterahana ny hafatra nampitain’ny iraka no nantenaina . Indrisy anefa fa herisetra no valinkafatra hita teto : fisamborana , kapoka , ratra , fanalambaraka. Izany dia maneho miharihary ny habibiana nataon-dRaolombelona . Aoka hialana ny herisetra.
3-Mihaino sy manaraka ny fananarana
Mba takatr’ireo mpihaino ihany ary nazava tamin’izy ireo tsara ilay hafatra teto, saingy ny fisamborana ihany no nasetrin’izy ireo . Ny vahoaka izay olombelona tahaka azy ireo indray no natahorany fa tsy ny Tompo . Raha ny tokony ho izy dia fanetrentena , fandinihantena , fibebahana , fialana amin’ny toetra ratsy no hita . Mahaiza mihaino .
Fanontaniana :
Nahoana ny olona sasany no mafy hatoka sarotra anarina ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM