Izahao toetra ny fanahy
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 19 Desambra 2020
1 JAONA 1 4.1-3
1 JAONA 1 4.1-3
4 Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika*. [* Na: fifalianareo]Izahao toetra ny fanahy
1-Misy ny fanahy mamitaka
Mampahafantatra antsika ny Soratra Masina fa tsy fanahy iray ihany no miasa eto amin’izao tontolo izao . Manao izay fara-heriny i satana mba hampiroa saina ny mpino ka hialany amin’ Andriamanitra . Mampiasa olona izy amin’izany ho fitaovana hamitahana ireo zanak’Andriamanitra mpanara-dia an’iKristy . Amin’ny maha- fanahy mamitaka azy dia tsy miseho amin’ny tena endriny izy . Mampitandrina antsika izany mba tsy hinohino foana fa ho mailo mandrakariva : « Aza mino ny fanahy rehetra , fa izahao toetra ny fanahy , na avy amin’ Andriamanitra ireny , na tsia satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao » (and1). Mety hiovaova endrika sy fomba fiasa izy ireny , arakaraka ny vanimpotoana iainana , fa ny tanjona tratrariny dia tokana ihany , ny hamitaka ny mpino an’i Jesoa Kristy .
2-Misy ny Fanahy avy amin’ Andriamanitra
« Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesoa Kristy na avy amin’ Andriamanitra » . Ambaran’ny Testamenta vaovao mazava tsara izay nokendren’Andriamanitra tamin’ny nahatongavan’i Kristy ho nofo sy ny soa azontsika avy amin’izany , Ilay Andriamanitra Fanahy , tsy manam-batana dia tonga nofo tao amin’i Jesoa . Ilay Andriamanitra mandrakizay dia tonga olona nateraka sady maty tahaka ny olona rehetra . Ilay avo indrindra nambaran’ny Testamenta Taloha dia nanetry tena ka naka ny endriky ny mpanompo . Ao amin’i Jesoa Kristy dia tonga tafaray amin’ Andriamanitra isika olombelona . Zava-miafina amintsika olombelona izany , kanefa tsy maintsy raisintsika amin’ny alalan’ny finoana ny fahamarinany .
Fanontaniana :
Ifampizarana : Milaza inona aminao ny teny hoe : « antikristy »?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM