Isan’izay nanehoana ny zava-miafina ve ianao? Ahoana no hiainanao zany ?
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 01 Septambra 2022
ROMANA 16.25-27
25 Ary ho an'izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an'i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola, 26 fa efa naseho ankehitriny tamin'izay soratry ny mpaminany, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin'ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana, 27 ho an'Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena.Fantatsika tsara fa ny hoe: « zava-miafina » dia zavatra tsy fantatra satria miafina na saro-pantarina .Misy teny ampiasaina eto manao hoe : voafina hatry ny fony fahagola .Ny tiana hambara amin’izany dia tsy hoe: tsy haseho na iza na iza mihitsy ilay zava-miafina .Tsy izany fa izao : misy planin’Andriamanitra momba ny fitondrany famonjena sy fanavotana ny olona izay efa voaomany , efa maty paika , saingy mbola tsy nambara aloha ,mbola tsy naseho mihitsy izany planina izany , satria misy planina koa ny fanehoana azy .Raha niteny izao Jesoa hoe : « mbola tsy tonga ny fotoako » (oh : Jao 7.8) dia tena fanajana ilay zava-miafina mbola tsy haseho indrindra izany .
2-Fa efa naseho kosa ny zava-miafina ankehitriny
Araka ny didin’Andriamanitra kosa anefa dia tsy maintsy haseho izany fa tsy afenina mandrakizay akory ary haseho amin’ny alalan’ny soratry ny mpaminany izany (ny Epistily eo am-pelatànan’ny kristiana rehetra nosoratan’ny mpanompon’Andriamanitra izany ) .Nampahafantarina izany izay rehetra tokoky hahafantatra ary ny tanjona dia hahatonga ny olona hino an’Andriamanitra ary handray ny làlam-pamonjeny ao amin’i Jesoa Kristy . Ambaran’ny Epistily àry fa tanteraka tamin’ny alalan’i Jesoa kristy ny zava-miafina ary indro ampahafantarina izany ny fiangonana .Koa noho izany , antsoina ny olon-drehetra , ny jentilisa sy ny Jiosy mba handray ny famonjen’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ka tsy maintsy misy fampihavanana sy fampiraisana ny olon-drehetra izany ao amin’ny vatana iray dia ny an’i Kristy ary koa milaza ny faneken’ny firenena rehetra ny fahefan’i Kristy izany .
Fanontaniana :
Isan’izay nanehoana ny zava-miafina ve ianao? Ahoana no hiainanao zany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM