Ireo voatanisa ireo ny momba an’i Jesoa , nahoana no mbola misalasala mino azy ny olona ?
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 19 Febroary 2022
ASAN'NY APOSTOLY 13.32-39
ASAN'NY APOSTOLY 13.32-39
32 Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin'ny razana, 33 dia ny nahatanterahan'Andriamanitra izany tamin'ny zanatsika, raha nanangana an'i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin'ny Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany (Sal. 2. 7). 34 Ary ny amin'ny nananganany Azy tamin'ny maty, ka tsy hiverina ho amin'ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida (Isa. 55. 3). 35 Fa hoy Izy ao amin'ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao (Sal. 16. 10). 36 Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry* ka nangonina ho any amin'ny razany izy ary tratry ny lò; [*Na. Fa Davida, rehefa nanompo ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry araka ny sitrapon'Andriamanitra] 37 fa Izay natsangan'Andriamanitra no tsy mba tratry ny lò. 38 Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo; 39 ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin'ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin'ny lalàn'i Mosesy.Ireo voatanisa ireo ny momba an’i Jesoa , nahoana no mbola misalasala mino azy ny olona ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM