Ireo tsy ankasitrahan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 08 Martsa 2023

DEOTERONOMIA 23.10-19

DEOTERONOMIA 23.10-19
10 Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra. 11 Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin'ny alina, dia hivoaka eny ivelan'ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny. 12 Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin'ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin'ny toby indray izy. 13 Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan'ny toby ho fivoahanao; 14 ary mitondrà fantaka miaraka amin'ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin'ny fantaka, ka totofy ny fivalananao. 15 Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan'ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao. 16 Aza atolotrao amin'ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao. 17 Eo aminao no hitoerany, dia eo amin'ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy. 18 Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin'ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy. 19 Aza mitondra ny tangin'ny vehivavy janga, na ny karaman'alika, ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.

1-Ny havoretrana (and 10-15)

Ny fahadiovana voaresaka eto dia misy izay momba ny fivavahana sy izay mifandraika aminy , fa izay tena ambara eto koa dia izao : tsy tia mifangaroharo amin’ny loto Andriamanitra fa manaisotra ny fahamasinany izany . Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao : tsy tamana amin’ny toerana maloto sy voretra Andriamanitra . Tsy amin’ny fombafombam-pivavahana ihany no mitoetra izany fa amin’ny maha-olona mihitsy . Koa andeha àry hodiovina ny fontsika , ny tenantsika . Mba ahoana ny amin’ireny fako misavovona eran’ny tanàna ireny ?

2- Ny fampahoriana ny hafa (and16,17)

Voalaza eto ihany koa fa andraikitr’izay milaza tena ho olon’Andriamanitra ny miaro sy manafaka ny mila vonjy . Tsy ny manala azy ao an-davaka fotsiny ihany anefa fa ny manao izay tsy hiverenany ao an-davaka ka ho babo indray . Jereo ny mila vonjy ka omeo tan-tsoroka izy ireny .

3-Ny fanompoan-tsampy (and18,19)

Tsy misy tokony hanolo-tena hanompo sampy raha mbola taranaka voafidy ihany koa , ka andeha hampirafy an’Andriamanitra .Tsy sitrany izany .Tsy ilain’Andriamanitra ny vola maloto na famotsiam-bola hanaovana ny asany . Fihatsarambelatsihy izany ka halan’ny Tompo .

Fanontaniana :

Ahoana àry araka ny hafatra anio no heverinao mety hahazoana sitraka avy amin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM