Ireo sokajin’olombelona manoloana ny finoana

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 20 Septambra 2025

Sal 96.1-10 / Hira 16 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 761.1.3

Marka 14,43 - 52
43 Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny Izy, dia avy Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, sady nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalĂ na ary ny loholona. 44 Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka. 45 Ary rehefa tonga izy, dia nanatona an'i Jesosy niaraka tamin'izay ka nanao hoe: Raby Ă´! dia nanoroka Azy izy. 46 Ary ny olona naninjitra ny tĂ nany taminy ka nisambotra Azy. 47 Ary ny anankiray tamin'izay teo anilany nanatsoaka ny sabany, dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny. 48 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? 49 Teo aminareo isan'andro Aho an-kianjan'ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao. 50 Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra. 51 Ary nisy zatovo anankiray nanaraka Azy, ka lamba hariry madinika fotsiny ihany no nitafiany, ary nosamborin'ny olona teo izy. 52 Dia navelany teny aminy ny lambany hariry madinika, ka nandositra nitanjaka izy.

Ireo sokajin’olombelona manoloana ny finoana:

1. Eo i Jodasy Iskariota

« Ny Mody mino »: Anisan’ny Apostoly izy fa namadika un’i JESOA Tompony tamin’ny fanorohana. Niaraka tamin’i JESOA, nefa tsy nino!

2. Eo ireo vahoaka niaraka taminy

« Ny tsy mahalala izay hinoany »: fa mpanara-drian-drano fotsiny! Miangona ny olona dia mba miangona!

3. Eo ireo mambran’ny Synedriona

« Ny tsy mety mino »: Ireo ilay « lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalana ary ny loholona » nampaniraka hanao ny fisamborana: olona mahalala ny Soratra Masina fa tsy nino an’i JESOA ho Mesia.

4. Eo i Petera

« Ny mpino mafana fo diso toerana »: Izy ilay lazain’ny and.47 hoy i Jaona (18,10)!

5. Eo ireo Apostoly sisa

« Ny mpino tsy niomana »: Voalazan’ny and.50 hoe: « Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra. » Nampiomanin’i JESOA fa tsy nino!

6. Eo ilay zatovo tsy fantatra anarana

« Ny Mpino hafakely! » Resahin’ny and.51-52: izy koa mba nisy nisambotra dia nitsoaka. Ka ny sasany nitsoaka natanjaka; izy nitsoaka nitanjaka!

Fanontaniana:

Ny toa iza amin ireo ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe