Ireo safidy tsara

Mofonaina anio: Zoma, faha 06 Aogositra 2021

OHABOLANA 10.9-20

OHABOLANA 10.9-20
9 Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra. 10 Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava. 11 Loharanon'aina ny vavan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy*. [Izahao and. 6] 12 Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra. 13 Amin'ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy ampy saina. 14 Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan'ny adala eo akaikin'ny fandringanana. 15 Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan'ny ory no fandringanana azy. 16 Ho fiainana ny asan'ny marina; Fa ho ota ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy. 17 Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra. 18 Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala. 19 Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry. 20 Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina; Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.

Ireo safidy tsara

1-Mandeha tsy misy tsiny

« izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha mahatoky » (and 9a). Efa toe-tsaina Malagasy hatramin’izay ny fisorohana araka izay azo mba tsy hahazo tsiny . Teny roa natambatra no nahazoana azy io « tsy iny« : maneho izany fa « tsy iny » no tokony atao . Zavatra roa loha no ambara fa mahatonga ny tsiny . Mahazo tsiny izay manao ny tsy tokony atao ary tsy manao ny tokony hatao . Mandeha matoky kosa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra . Amin’izany dia ny fankatoavana ny Tenin’ny Tompo amim-panetrentena no tokony ho filamatra.

2-Mandeha am-pitiavana

« ny fankahalana dia manetsika ady fa ny fitiavana manarona fahotana maro« . Rehefa eo ny fitiavana dia manjaka ny fifandeferana na tranga tokony hiteraka disadisa aza dia vitan’ny fifampihainoana sy ny fifampiresahana . Ny fifankahalana kosa manetsika ady ka na zava-madinika tsy toa inona aza dia miitatra .Izay mandeha am-pitiavana dia tsy mitahiry alahelo .

3-Mandeha am-pahamarinana

« Ho fiainana ny asan’ny marina « . Amin’ny ankapobeny ny asa tanterahantsika dia mizotra mankany amin’ny làlana roa samy hafa . Na mitondra ho amin’ny fiainana ,na mitarika any amin’ny ota sy fahafatesana . Antsika ny safidy . Koa mifidiana ny fiainana dia ho velona ianao , tsara fiafarana . Efa nohamarinin’ny Tompo tamin’ny Rany isika , ka aoka hanana fitondrantena mifanaraka amin’izany .

Fanontaniana :

Ahoana ny fahazoanao ilay fitenenana hoe : « ny fitiavana manarona ny ota rehetra » ? (Ohab 10.12b)

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM