Ireo dingana ho amin’ny finoana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 23 Febroary 2017

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

ROMANA 10.11-18
11 Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16). 12 Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa*, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy. [*Gr. Grika] 13 Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5). 14 Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory? 15 Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly! (Isa. 52. 7). 16 Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly*. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isa. 53. 1.) 17 Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy. 18 Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin'ny faran'izao rehetra izao (Sal. 19. 4). [* Na: filazantsara]

1-Fanekena ho iraka (and17)

…hataony ahoana no fitory raha tsy nirahina ? » (and 15

2-Fitoriana ny Filazantsara

…hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitoriteny ? »

3-Fandraisana ny hafatra (and 14)

« …hataony ahoana no fino Azy raha tsy efa reny ? »

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM