Ireo dingana arahina handraisana ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 09 Martsa 2020
Ireo dingana arahina handraisana ny Fanahy Masina

Toriteny voalohany nataon’i Petera tamin’ny andro Pentekosta ity. Toriteny izay nahatonga ny olona voatsindrona tao am-po ka nangataka toromarika ny amin’izay tokony hataon’izy ireo .Ireto no dingana handraisana ny Fanahy Masina.
1-Mibebaka
Ny hoe: mibebaka eto dia manaiky ny maha-olombelona mpanota aloha .Izay manaiky ny maha-mpanota azy no miala amin’izay ratsy mamatotra azy . Ary rehefa miala amin’ny maha-mpanota dia miverina ao amin’Andriamanitra.
2-Manaiky ho tonga zanak’ Andriamanitra
Izay rehetra tafaverina ao amin’ Andriamanitra no tonga zanak’Andriamanitra .Ny Batisa no fanomezana marika hanehoana ny maha-zanak’Andriamanitra .Porofo tsy azo fafana ny maha-zanak’Andriamanitra ny batisa .
3-Mandray ny famelankeloka
Ny zanak’ Andriamanitra dia misitraka izay maha-zanak’Andriamanitra izay . Ny fandraisana ny famelankeloka no endrika sy fomba hita maso ny maha-zanak’ Andriamanitra marina. Ny tena zanak’Andriamanitra dia tsy misy heloka mampifanalavitra azy intsony amin’Andriamanitra.
4-Mandray ny Fanahy Masina
Omen’ Andriamanitra ny zanany ny Fanahiny . Hitarika azy amin’ny maha- zanak’ Andriamanitra azy . Izay manana ny Fanahy Masina no toa an’i Jesoa .Ilay naneho ho hita maso ny maha-izy azy ny zanak’ Andriamanitra .Raiso ny Fanahy Masina omen’ Andriamanitra antsika zanany .
Fanontaniana:
Izay manana ny Fanahy Masina ihany ve no tena zanak’ Andriamanitra marina?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM