IREO DIDY FOLOn’ny FAHOMBIAZANA
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 25 Oktobra 2018
IREO DIDY FOLOn'ny FAHOMBIAZANA
IREO DIDY FOLOn’ny FAHOMBIAZANA
-Nahomby ilay mpanompon’i Abrahama fa nahita vady ho an’i Isaka
-Nahomby i Rebeka satria ho tafita handeha hanambady
-Nahomby ilay vehivavy narary 12 taona satria nahita fahasitranana
-Natoron’i Petera ireo tanora nanoratany ao amin’ny Epistiliny ireo fomba hahombiazany .
Inona no tokony hatao raha te- hahazo fahombiazana tena izy ?
1-Meteza ho olom-bavaka (Gen 24.12-28)
Toy ilay mpanompon’i Abrahama : Nivavaka izy (and12) . Aza mieritrertra hiatrika irery ny fiainana . Olona noforonina hifandray amin’ Andriamanitra ianao . Toy ny trondro , tsy avy miaina ivelan’ny rano no tsy maintsy ilainao ny fifandraisana amin’ Andriamanitra .Nanao ny anjarany izy (and17) ,tsy manala ny andraikitra akory ny vavaka. Ny olona mivavaka dia tsy miasa kelikely kokoa akory, fa miasa tsaratsara kokoa satria hazavain’ny Fanahy Masina.
2-Mahaiza mandinika tsara (Gen 24.21)
Toy ilay mpanompon’i Abrahama . Ny fahombiazana rehetra dia mitaky fahaiza-mandinika . Ampiasao ny sainao fa tsy mifanohitra amin’ny asan’ny Fanahy Masina akory ny fandalinana sy ny fanadihadiana. Aza manao rapa-dango saingy hoe: »Tompo ô , omeo vola aho! ka nony nivoaka ny trano ianao dia nahita kitapo latsaka ,izay hitanao ao anatiny, vola be tokoa, saingy hitanao ao koa ny karapanondron’ny tompony misy ny adiresiny dia hihevitra ve ianao fa valimbavaka io? (mbola hitohy)
« Bokikelin’ny fahombiazana « IAA