IREO DIDY FOLON’ny FAHOMBIAZANA
Mofonaina anio: Zoma, faha 26 Oktobra 2018
IREO DIDY FOLON'ny FAHOMBIAZANA
IREO DIDY FOLON’ny FAHOMBIAZANA
3-Misokafa amin’ny hafa (Gen 24.18)
Toa an- dRebeka izay nanana toetra soa nisokafany ho an’ny hafa
-olona tsy fantany akory ity mpanompon’i Abrahama ity , nefa nekeny am-pitiavana ny hampiana .
-olona nahay nanaja ny hafa izy: »tompokolahy »hoy izy
-Nanaiky hanao mihoatra noho izay nangatahina hataony aza izy : ny hosotroin’ny tenany ihany no nangatahin-dralehilahy taminy, nefa ny ramevany koa, nanolorany tena an-tsitrapo hampisotroina .Ny olona mahay misokatra amin’ny hafa toy izany dia misokatra ho azy ny araben’ny fahombiazana .
-Toy ilay mpanompon’i Abrahama (Gen 24.22). Nahay nisokatra tamin’i Rebeka koa ity mpanompon’i Abrahama ity , tsy faly nandray fotsiny ny fanampiana azy izy fa mba nahay nanolotra tamin’ny fahalalan-tànana ihany koa. Izany ilay antsointsika Malagasy hoe: »fitia mifamaly mahatsara fihavanana ».
4-Maneke hiasa mafy (Gen 24.20)26
Toa an-dRebeka :Fantaro fa rameva folo be izao ireo nampisotroiny ireo ary izy irery no nampisotro azy.Tena nila raharaha ara-bakiteny izy. Asa mafy no nekeny tam-pitiavana . Tsy misy fahombiazana ivelan’ny fanekena hiasa mafy toy izany . Ny olona kamo na malaindaina amin’ny ataony , tsy hahomby na oviana na oviana . Ny olona mazoto no mahomby
(mbola hitohy…
« Bokikelin’ny fahombiazana » IAA