IREO DIDY FOLON’ny FAHOMBIAZANA
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 27 Oktobra 2018
IREO DIDY FOLON'ny FAHOMBIAZANA
IREO DIDY FOLON’ny FAHOMBIAZANA
Alatsaho ao am-ponao ireto tenin’ny olo-kendry ireto:
-Ho tonga malahelo ny miraviravy tànana amin’ny asany . Fa mampanakarena ny tànan’ny mazoto (Ohab 10.4)
-Ny tànan’ny mazoto no hanapaka. Fa izay miraviravy tànana dia hampanompoina (Ohab 12.24)
-Ny fanahin’ny kamo maniry , fa tsy mba mahazo. Fa ny fanahin’ny mazoto hohatavezina(Ohab 13.4)
-Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena , fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany (Ohab 21.5)
5-Sahia misisika (Mar 5.25)
Toa an’ilay vehivavy narary 12 taona (and25 ,26). Jereo fa dingana maro no nataon’ity vehivavy ity :
-12 taona be izao izy no niaritra ny aretiny
-efa namonjy dokotera maro
-efa nandany ny fananany rehetra izy
-tsy nanaiky ho resin’ny fahakiviana noho ny tsy fahasitranany fa mbola lasa indray namakivaky ny vahoaka , nisisika , nanao izay hahatongavana teo amin’ i jesoa. Tsarovy fa mety handalo tsy fahombiazana betsaka ianao , saingy raha manana faharetana sy fitozoana tsy mety kivy ianao , hiandry anao ery am-piafaran’ny hazakazakao ny satroboninahitry ny fahombiazana .
Mba fantatrao ve ilay lehilahy Amerikana atao hoe: Thomas EDISON, izay namorona ny takamoa (ampoule) tamin’ny 1878 , dia voalaza fa nanao fanandramana hatrany amin’ny in-1000 vao nahita fahombiazana hahazoana io takamoa ampiasaintsika mora foana ankehitriny io?
Koa mahaiza misisika , ary manàna faharetana .Hahomby ianao rehefa tsy resin’ny tsy fahombiazana. Fa zana-tohatra hiakarana ho amin’ny fahombiazana ny tsy fahombiazana .
« Bokikelin’ny fahombiazana « IAA