Ireo antony mahasitrana ny mino

Mofonaina anio: Alarobia, faha 02 Jona 2021

ASAN'APOSTOLY 3.12-16

ASAN'APOSTOLY 3.12-16
12 Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha? 13 Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesosy Mpanompony*, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy halefa. [* Na: Zanany] 14 Fa ianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo; 15 fa ny Tompon'ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay. 16 Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.

Ireo antony mahasitrana ny mino

Ity tantara eto amin’ny Asa 3 ity dia mitantara amintsika ny fomba nahasitrana ilay lehilahy malemy tongotra teo anoloan’ny vavahadin’ny Tempoly . Rehefa nandalo teo i Petera sy Jaona dia nanasitrana azy tamin’ny Anaran’i Jesoa Kristy. Rehefa nitsangana ilay nalemy teo aloha dia niara-niditra tamin’izy mirahalahy tao an-kianjan’ny Tempoly . Avy amin’izao no hahaizantsika fa ny fanasitranana ny mino dia:

1-Tsy avy amin’ny herin’ny olona (and 12)

Nambaran’i Petera tamin’izay rehetra nahita ilay lehilahy sitrana fa tsy ny herin’izy roalahy velively no nanasitrana azy . Herin’Andriamanitra tamin’ny Anaran’i Jeso Kristy no nahafahan’izy ireo nanasitrana ilay lehilahy nalemy tongotra . Tsy misy herin ‘olombelona na iza na iza afaka manasitrana no tian’i Petera lazaina . Andriamanitra irery ihany no manana hery sy fahefana afaka manasitrana tanteraka ny olona , ka manafaka azy amin’ny olana samihafa mamatotra azy . Mbola marina mandraka androany izany .

2-Noho ny finoana an’i Jesoa ( and 16)

Noho ny finoana ny Anaran’i Jesoa no hahazoana famonjena araka ny fampianaran’i Petera eto . Tsy tokony hohadinoina fa ao an-kianjan’ny Tempoly i Petera no miteny eto . Toerana izany nahitana Jiosy maro izany . Fitaomana ny Jiosy hanaiky ny maha- Andriamanitra , ny maha-Mesia an’i Jesoa izany fampianaran’i Petera izany . Zava-dehibe hahazoana mamaha ny olana rehetra eto amin’izao tontolo izao ny finoana . Ny hoe: mino dia manaiky ny maha- Andriamanitra , ny maha- Mesia an’i Jesoa . Izy irery no manana hery sy fahefana mamonjy sy manafaka . Minoa an’i Jesoa tokoa dia hovonjena isika rehetra .

Fanontaniana :

Sarotra sa mora ny ho tonga amin’ny finoana ? Nahoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM