Ireo ady sarotra natrehan’i Jesoa
Mofonaina anio: Zoma, faha 18 Aprily 2025
Sal46,1-3 / Hira: 100 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira: 98
Matio 27, 45-56
45 Ary hatramin'ny ora fahenina ka hatramin'ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra. 46 Ary nony tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 1). 47 Ary ny sasany tamin'izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an'i Elia Ilehio. 48 Ary niaraka tamin'izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin'ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy. 49 Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia. 50 Ary rehefa niantso tamin'ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny. 51 Ary, indro, ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy; 52 ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin'ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana, 53 ka nivoaka avy tao amin'ny fasana ireo taorian*'ny nitsanganan'i Jesosy, dia nankao amin'ny Tanàna Masina ka niseho tamin'ny maro.[*Na:ary taorin',etc] 54 Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an'i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin'izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io. 55 Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an'i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy. 56 Isan'ireny Maria Magdalena sy Maria, renin'i Jakoba sy Josesy, ary ny renin'ny zanak'i Zebedio.Ireo ady sarotra natrehan’i Jesoa
1- Aizina
« …Dia maizina ny tany rehetra… » Rehefa novonoina Jesoa Ilay fahazavan’izao tontolo izao dia aizina tanteraka no vokatr’izany. Misy akony eo amin’ny voahary manontolo ny fanolorantenan’i Jesoa Tompo. Zava-doza no mitranga raha ny fahazavana mihitsy no iniana vonoina. Ny vokatr’izany dia tsy inona fa fiainana ao anaty fahajambana, tsy ahitana lalan-kombàna, fikorontanana. Fantaro fa na iza na iza mbola tsy nanolo-tena ho an’i Jesoa dia mbola ao anaty aizina hatrany, lavitry ny hazavana.
2- Fisarahana
« Nahoana no dia nahafoy Ahy ianao? » (and.46). Nitondra ny otantsika teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa. Tsy misy fomba hafa hampitsaharana ny fahatezeran’Andriamanitra Ray afa-tsy ny fanolorany ny Zanany lahy tokana.
Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra no nirahina, natolotra, tsy nohenoina raha niantsoantso. Izany dia noho ny fitiavana sy fanavotana antsika. Tsarovy fa tena sakana amin’ny valim-bavaka ny ota, ireo fahazaran-dratsy. Soa fa teo Jesoa llay tsy misy kileına, kanefa dia nanaiky hitondra ny otantsika.
3- Fahafatesana
« Ary niantso tamin’ny feo mahery Jesoa dia nanolotra ny fanahiny » (and 50): Teo amin’ny hazo fijaliana no nanehoan’i Jesoa ny fitiavana lalina antsika. Efa nilaza Izy fa izay mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany no tena manana fitiavana lehibe sy marina tokoa (Jao 15,13). Izy ihany no nañolotra ny ainy. Notanterahany an-tsitrapo izany ho ahy sy ho anao.
Fanontaniana
Inona avy ireo zava-tsarotra tsy maintsy natrehan ‘i Jeso?
Sampana Sekoly Alahady Foibe