Iorenan’ny fanafahana ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 25 Jona 2023

DEOTERONOMIA 29.1-5

DEOTERONOMIA 29.1-5
1 Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah teo imasonareo tany amin'ny tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra, 2 dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny. 3 Nefa tsy nomen'i Jehovah fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany. 4 Dia nitondra anareo tany an-efitra efa-polo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin'ny tongotrao ny kapanao. 5 Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

Iorenan’ny fanafahana ny Tompo

1-Miady ny adinao Izy

And 1-2 dia manambara an’Andriamanitra mandray andraikitra amin’ny fahavalon’ny olony dia ny Egyptiana izany Atsingerin’iMosesy ao an-dohan’ny olona izany mba hahatsiarovany fa mandray andraikitra amin’ny ady natrehany nanoloana ny fahavalony Andriamanitra. Zava-mahagaga teo imason’ny olona izany satria tsy misy fandraisana anjara nataon’izy ireo nandritra ny ady fa Andriamanitra no nirotsaka an-tsehatra nanafoana ny fahavalony. Mandraka ankehitriny dia fomba fiasan’Andriamanitra izany no an’ny olona mametraka ny adiny Aminy . « Fa raha hihaino ny feony btokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko ,dia ho fahavalon’ny fahavalonao sy ho rafin’ny rafinao Aho » (Eks 23.22)

2-Miahy ny fiainanao Izy

And 4-5 dia maneho an’Andriamanitra miahy ny momba ny olony manokana. Fa raha nandeha namakivaky ny tany efitra efapolo taona ny olony dia tsy nihatonta na ny fitafiana teny an-kodiny na ny kapa teny an-tongony. Ary na ny sakafony aza dia Andriamanitra no manome izay sahaza azy isanandro . Izany fiahian’Andriamanitra izany no mampibaribary ny maha-Andriamanitra hafa Azy. Mandia ny asaramanitra isika Malagasy anio sy rahampitso. Hihinana sy hisotro ho fanehoam-pifaliana . Izay sakafo atolony hahavelona antsika no hano sy sotroy hanehoantsika fa fitahiana avy Aminy ireny. « Koa raha ianareo na dia ratsy aza ,mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo ,tsy mainka va ny Ray izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy ?  » (Lio 11.13)

Fanontaniana:

Tanisao ireo fahasoavana efa natobaky ny Tompo taminao.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM