Inona tsara moa ny tombotsoan’izay mitandrina ny fanekena ? Inona kosa no miandry izay tsy mankato?
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 11 Jolay 2020
DEOTERONOMIA 29.1-8
DEOTERONOMIA 29.1-8
1 Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah teo imasonareo tany amin'ny tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra, 2 dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny. 3 Nefa tsy nomen'i Jehovah fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany. 4 Dia nitondra anareo tany an-efitra efa-polo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin'ny tongotrao ny kapanao. 5 Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 6 Ary nony tonga tamin'ity tany ity ianareo, dia nivoaka Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy. 7 Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zara-tanin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase. 8 Dia tandremo ny tenin'izao fanekena izao, ka araho, mba hambinina ianareo amin'izay rehetra ataonareo.Inona tsara moa ny tombotsoan’izay mitandrina ny fanekena ? Inona kosa no miandry izay tsy mankato?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM