Inona no tokony hatao mba tsy hahadiso hevitra ?

Mofonaina anio: Talata, faha 17 Oktobra 2023

MARKA 12.18-27

MARKA 12.18-27
18 Ary ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nisy sasany tonga teo aminy ka nanontany Azy hoe: 19 Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra azy hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5). 20 Nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba. 21 Ary ny faharoa nampakatra an-dravehivavy, dia maty momba koa; ary ny fahatelo dia toy izany ihany koa. 22 Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy. 23 Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza moa ravehivavy, satria efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy? 24 Ary hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny herin'Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo? 25 Fa amin'ny hitsanganana amin'ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy. 26 Ka ny amin'ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin'ny bokin'i Mosesy, eo amin'ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan'Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba? (Eks. 3. 6.) 27 Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an'ny velona; koa diso indrindra ianareo.

Abaribarin’i Jesoa eto fa ny antony mahadiso hevitra ny olona ka mahatonga azy te-haka fanahy an’Andriamanitra sy hanao fampianaran-diso dia ny tsy fahafantarana ireto zava-droa loha ireto :

1-Ny Soratra Masina (and24a)

Hoy i Jesoa : « tsy izao tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina izao... » .Raha tomorina akaiky io tenin’i Jesoa io dia toa eson-teny ihany satria ny Sadoseo ankoatry ny maha-antoko politika azy dia mpisora-tena ho mpivavaka sady midongy ho taranak’i Zadoka Mpisoronabe tamin’ny andron’i Davida . Ambonin’izany ,mpisorona rahateo ny ankamaroan’ny mpikambana ao aminy .Raha izany sata sy toerana misy azy ireo izany no jerena dia tokony ho olona mahalala tsara ny Soratra Masina izy ireo ,saingy ny mahavariana dia ireto izy te-hamandrika an’i Jesoa . Ny marina anefa dia izao : mahafantatra ihany ,saingy ny tsy finoana no betsaka (tsy mino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty mihitsy mantsy ny Sadoseo eo amin’ny and 18) ka mahatonga iza fihetsika izany .

2-Ny herin’Andriamanitra (and 24b)

Ny tian’i Jesoa ambara amin’izany dia izao : ireo Sadoseo ireto dia variana amin’ny soratra sy endrika ivelambelany fa tsy manana traikefa na fifandraisana lalina amin’Andriamanitra ,hany ka mijanona ho maizina ihany ny fony, ary io fahamaizinan’ny fony io mampanaotao foana azy satria ny heveriny ho fahalalana sy saim-pantany no itondrany ny fiainany.Taomina àry isika mba hanana fifandraisana velona sy lalina amin’Andriamanitra fa izany no ahafantarantsika ny herin’Andriamanitra aryizany koa no manamafy ny finoantsika tsy ho azon’ny fampianaran-diso hozongozonina.

Fanontaniana:

Inona no tokony hatao mba tsy hahadiso hevitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM