Inona no takian’ny Tompo mba hitahiany antsika?

Mofonaina anio: Zoma, faha 10 Janoary 2025

Sal 66.16-20/ Hira 3/ Vavaka/ Mofonaina/

Deoteronomia 10. 12-19
12 [Anatra ny amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fitiavana Azy, ary filazana ny soa ho azon'ny manaraka ny lalàna sy ny loza hanjo ny tsy manaraka azy] Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, 13 hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao? 14 Indro, an'i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. 15 Kanefa ny razanao no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin'izao anio izao. 16 Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo. 17 Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly; 18 manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. 19 Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo.

Inona no takian’ny Tompo mba hitahiany antsika?

Tsy hafa noho izay notakian’Andriamanitra tamin’ny Zanak’ Israely ny zavatra takiana amintsika Kristiana ankehitriny:

1- Ny hatahotra Azy

Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra satria Andriamanitra lehibe sy mahery Izy, ananany fahefana izao tontolo izao. Izy no Tompon’ny tantara; tsy mba mivadika amin’ny fanekeny Izy. Ny hoe matahotra Azy dia midika fanajana Azy, na amin’ny fanompoam-pivavahana izay atao, na amin’ny fankatoavana ny didiny sy ny sori-dàlana rehetra apetrany mba harahina. Azo oharina amin’ny fifandraisana misy amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka no tokony ho fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra: ny zanaka dia tsy manao izay hampalahelo ny ray aman-dreny ka manaja sy matahotra azy, ary ny ray aman-dreny kosa dia azo itokiana fa tsy hikatsaka afa-tsy izay hahasoa ny zanany.

2- Ny ho tia Azy

Ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra dia tsy afa-misaraka amin’ny fitiavana. Ny fitiavana an’Andriamanitra dia midika fanoloran-tena feno ho Azy; fitiavana ateraky ny fahatsapana ny fitiavany antsika, ka nanomezany an’i Jesoa Kristy ho famonjena izao tontolo izao. Raha tia an’Andriamanitra tokoa isika dia hahay mitia ny hafa; tsy ho tia kolikoly; tsy hizaha tavan’olona; manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena, miantra sy miaro ireo izay tsy misy mpiahy; miantra sy mikarakara ny vahiny, tahaka izay niantran’Andriamanitra ny Zanak’israely tany Egypta.

Fanontaniana:

Ahoana no tokony hiainana ny didim-pitiavana eo amin’ny samy Kristiana. Inona no sakana tsy ahavitana izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe