Inona no mahatonga ny olona tsy mankany am-piangonana?
Mofonaina anio: Zoma, faha 21 Oktobra 2022
Lioka 2,36 - 38
36 Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy tamin'ny firenen'i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin'ny vadiny fito taona taorian'ny naha-virijina azy, 37 ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly izy, fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman'alina. 38 Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.Ny zava-nitranga tao amin’ny tempoly tamin’ny fotoana nitondrana an’i Jesoa niakatra tany Jerosalema hatolotra ny Tompo no tantaraina amintsika eto. Nahita an’i Jesoa i Simeona (and. 25) ary nahita Azy koa i Ana. Azontsika tsoahina amin’ity fahitan’i Ana an’i Jesoa ity ny hoe : Aza mahafoy ny fanompoana ao amin’ny Fiangonana fa:
1- Ao no hihaonana amin’i Jesoa (and 37) «
...ary tsy niala teo an-kianjan’ny tempoly izy fa nanompo tamin ‘ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman ‘alina... » Voalaza eto fa tsy nahafoy ny tempoly i Ana ary andro aman’alina ny fanompoany, ary nandritra izany fotoana izany no nahitany an’i Jesoa. Hitaomana antsika ihany koa izany hanao ho zava-dehibe ny zara fanompoantsika ao amin’ny Fiangonana, tsy hanao ho zandrin-draharaha ka zara raha vita ny fanompoana isika, ary tsy ho fahazarana koa anefa no hanaovana izany fa tena mivavaka isika, tahaka an’i Ana. Aoka ary isika ho eo hatrany amin’ny fotoana rehetra any am-piangonana fa ao no hahazoantsika mihaona amin’i Jesoa sy mandre Azy, ao no hahitantsika ny mpamonjy sy ny famonjena. « Ivelan’ny Fiangonana, tsy misy famonjena » hoy ny Teolojiana iray.
2- Ao no handraisana hahazoana mizara (and 38)
« Ary nony niditra tamin’izany ora izany izy, dia nisaotra an ‘Andriamanitra ka nilaza Azy tamin ‘izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema ». Rehefa nahita an’i Jesoa i Ana dia tsy nihazona ho azy irery ny vaovao mahafaly fa nizara izany tamin’ireo efa liana sy mangetaheta ny famonjena izy. Ianao koa aza mahafoy ny Fiangonana, ary rehefa nihaona tamin’i Jesoa dia aza tia tena fa mba mizarà amin’ny hafa fa maro any ny miandrandra famonjena ary ianao no antenaina hitory an’i Jesoa amin’izy ireny!
Fanontaniana:
Inona no mahatonga ny olona tsy mankany am-piangonana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM