Inona no mahatonga ny olona raha tsy voadona tsy mahalala hivavaka?
Mofonaina anio: Zoma, faha 17 Febroary 2023
1 MPANJAKA 13.1-6
1 [Ny nanirahan'Andriamanitra ilay mpaminany hananatra an'i Jeroboama noho ny nanaovany ireo sarin'ombilahy kely ireo, sy ny nanjo azy] Ary, indro, nisy lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin'i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan'ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama. 2 Ary ilay lehilahin'Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an'ny taranak'i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin'ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan'olona no hodorana eo amboninao. 3 Ary naneho fahagagana androtrizay izy nanao hoe: Izao no fahagagana izay nolazain'i Jehovah: Indro, hitresaka ny alitara, ka hikorotsaka ny lavenona izay eo amboniny. 4 Ary nony ren'i Jeroboama mpanjaka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin'ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty* iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony. [Heb. maina] 5 Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon'ilay lehilahin'Andriamanitra noho ny tenin'i Jehovah. 6 Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin'Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin'i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra dia nifona tamin'i Jehovah, ka dia azon'ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.And 2 » Ary ilay lehilahin’Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin’i Jehovah ... » Nahoana Andriamanitra no miresaka amin’ny alitara? Izao no zava-nisy : Jeroboama mpanjaka dia nanatitra ho an’ireo sampiny . Nahatezitra an’Andriamanitra izany ka antony nisian’izao tantara izao (vakio toko 12 25)
1-Mahatezitra an’Andriamanitra ny tsy fihainona Azy
Mijery ny fon’izay manatitra fanatitra ho Azy Andriamanitra . Jeroboama ilay nanompo sampy no mijoro eo amin’ny alitarany , dia nahatezitra Azy ka nitenenany ny alitara . Fantantsika ny tantara fa tanteraka izay noresahan’Andriamanitra tamin’ny alitara . Fa isika olombelona kosa dia tsy mba nahay nihaino sy mankato ny Teniny tahaka an’i Jeroboama mpanjaka teo anilan’ny alitara .Izany no tsy ahitantsika fahombiazana amin’ny fiainantsika .Hoy i Jesoa : « Raha miray amiko ianareo , dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany » (Jao 15.7)
2-Ifony izay tsy nety
Nahatsiaro diso i Jeroboama ka niangavy tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra izy mba hositraniny dia sitrana . Matetika isika raha tsy nahita loza tsy mahatsiaro mifona amin’Andriamanitra Tamin’ny fivadihantsika taminy .Na izany aza anefa dia tsarovy fa tia antsika Andriamanitra ka mamindra fo amintsika rehefa mibebaka marina isika (1 Jao 1.9)
Fanontaniana:
Inona no mahatonga ny olona raha tsy voadona tsy mahalala hivavaka?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM