Inona no mahatonga ny olona mbola be tebiteby sy tahotra ihany?
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 03 Jolay 2023
Isaia 41. 8-13
Isaia 41. 8-13
8 Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak'i Abrahama sakaizako, 9 Hianao izay efa notantanako avy tany amin'ny faran'ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako: 10 Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho. 11 Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao. 12 Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao. 13 Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.Toky no omen’ny Tompo antsika amin’ny alalan’ny mofon’aina anio: «Aza matahotra». Nahoana moa no sahy milaza izany amintsika Izy? Ny valiny dia satria :
1- Tsy manary antsika Izy (and 9d)
«Mpanompoko ianao, efa nofidiako ka tsy mba nariako» hoy ny filazan’ny mpaminany azy eto. Maneho amintsika miharihary izany, fa Andriamanitra izay nitsonga antsika tao anatin’ny maro, efa nandray an-tanana ny fiainantsika, tsy vao izao ihany fa efa hatramin’ny lasa rehetra dia tia antsika. Io fitiavan’ Andriamanitra antsika io no mahatonga Azy manamafy fa tsy manary antsika Izy. Any am-pahababoana ny Jiosy no mahazo izao hafatra izao ho fampaherezana. Isika koa, ao anatin’ny sarotra lalovantsika, tsarovy fa tsy manary antsika ny Tompo.
2- Miandany amintsika Izy (and 10)
«Aza matahotra ianao fa momba anao Aho» hoy ihany ny Tompo eto. Ny hevitry ny teny hoe «momba» dia tsy hoe miara-mandeha fotsiny fa tena miandany mihitsy, azo lazaina mihitsy aza hoe miangatra , izany hoe: Andriamanitra dia manome tombondahiny ho an’ny olony ka manoloana ny sarotra atrehina, manoloana ny afitsoky ny fahavalo dia mirona amintsika ny Tompo ka hiady ho antsika, ary hampandresy antsika koa. Manamafy izany i Jesoa (Mat 28.20)
3- Miantoka ny ho avintsika Izy (and 13d)
«Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao» hoy ny Tompo. Mazava eto fa ny lasa efa noraisiny an-tanana, ny ankehitriny atrehiny ary ny ho avy efa ampanantenany sahady famonjena. Ny anjarantsika araka izany dia ny mametraka ny toky sy fanantenana Aminy.
Fanontaniana:
Inona no mahatonga ny olona mbola be tebiteby sy tahotra ihany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM.