Inona no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra ?
Mofonaina anio: Alarobia, faha 15 Janoary 2020
ROMANA 1.18-23
ROMANA 1.18-23
18 [Ny amin'ny faharatsian'ny toetry ny jentilisa sy ny mahameloka azy] Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy, 19 satria izay fantatra ny amin'Andriamanitra dia miseho ao am-pon'ireny, fa nasehon'Andriamanitra taminy. 20 Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra* ireo; [* Na: Mba tsy hanan-kalahatra] 21 fa na dia nahalala an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. 22 Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, 23 koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka.Inona no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra ?
Vokatry ny ataon’ny olona ihany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra hihatra aminy . Anisan’izany ireto:
1-Ny fanompoan-tsampy (and23)
nisan’izay endriky ny tsy fanajana Azy ny fanompoantsampy . »...ny voninahitr’ Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lo sy ny vorona sy ny biby mana-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka « (and23). Masina Andriamanitra ka tsy hanaiky hohitsakitsahin’ny ratsy , ary ny tena zava-doza amin’izany dia ny fisian’ny olona efa mahalala an’ Andriamanitra , kanefa mbola minia manompo sampy. « Fa na dia nahalala an’ Andriamanitra aza izy , dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’ Andriamanitra na nisaotra Azy… » (and21);
2-Ny fiheverantena ho hendry (and22)
Ny mpanompo sampy Grika sy Romana dia samy nirehareha noho izay noheveriny ho fahendrena , kanjo fahendren’ olombelona no nananany (Filozofia). Tsy nahafoana ny fitondrantena adala sy mahavoafady izany . Toy izany koa na dia amin’izao andro ankehitriny izao dia maro no mihevi-tena ho hendry sy mahay mitondra tena nefa tsy miraharaha ny Tenin’ Andriamanitra . »Nilaza ho hendry ny olona , nefa tonga adala » (and22-DIEM). Ao amin’ Andriamanitra irery ihany no misy ny tena fahendrena . Raha tsy eo ny Tenin’ Andriamanitra dia arakaraka ny hitomboan’ny fahalalana sy izay heverina ho fandrosoana no vao mainka mampitombo ny fahadalan’ny olona , ka mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra.
Fanontaniana:
Inona no mahatonga ny olona sasany ho manam-pahaizana kanefa tsy manam-pahendrena ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM