Inona no mahatonga anao tsy mahatanteraka ny voadinao?

Mofonaina anio: Alahady, faha 17 Jolay 2022
Salamo 116,12 - 19
12 Inona no havaliko an'i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko? 13 Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran'i Jehovah. 14 Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra. 15 Zava-dehibe eo imason'i Jehovah Ny fahafatesan'ny olony masina. 16 Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao. 17 Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran'i Jehovah no hantsoiko. 18 Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra, 19 Dia eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.
Ny mpanompon’Andriamanitra
1- Misaotra an’Andriamanitra

« Hianao no hanaterako fanati-pisaorana, ary ny anaran’i Jehovah no hantsoiko » (And, 17) Rehefa nahatsiaro ny fanafahana sy ny famonjena nataon Andriamanitra taminy ny mpanao Salamo dia nisaotra Azy. Ny fanati-pisaorana izay mandrava ny elanelana misy eo amin’Andriamanitra sy ny olona. Mariky ny fahatsiarovana ny famonjena sy ny fiombonana amin’ny Fiangonana ny fanaovana izany ary indrindra ho fanehoana ny fahatokiana Azy indray. Ny olona mahatsapa ny famonjena nataon’Andriamanitra taminy no misaotra an’Andriamanitra. Ary ny fisaorana lehibe indrindra dia ny finoana sy ny fandraisana ny famonjen’i Jesoa Kristy.

2- Manatanteraka ny voadiny

«Hanefa ny voadiko amin’i’Jehovah aho, eny. eo anatrehan’ny olony rehetra,» (And. 18) Teo amin’ny Isiraely. raha misy olona nieren-doza, marary mafy dia manao voady izy mba ho sitrana, ka rehefa sitrana izy dia manatanteraka ny voady izay nataony tamin’Andriamanitra ao amin’ny Tempoly. Ka eto ny mpanao Salamo. amin’ny maha mpanompon’ Andriamanitra azy, dia hanatanteraka ny voadiny. Ny olona izay mahatsiaro ho nandray fanafahana sy famonjena tamin’Andriamanitra, indrindra raha nanao voady, dia tokony manatanteraka izany. Ary ny fanafahana izay lehibe indrindra dia ny fanafahana tamin’ny ota nataon Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Koa tanteraho ny voady rehetra efa nataonao tamin’ Andriamanitra fa izany no maha mpanompon’ Andriamanitra anao.

Fanontaniana

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM