Inona no heverinao fa sarobidy indrindra foinao ho an’Andriamanitra tokoa ve ?

Mofonaina anio: Talata, faha 19 Oktobra 2021

Eksodosy 34. 18 - 20

Eksodosy 34. 18 - 20
18 Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta. 19 Izay voalohan-teraka rehetra no Ahy, dia ny lahy amin'ny voalohan-teraky ny bibinao, na omby na ondry aman'osy; 20 fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak'ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.

Inona no heverinao fa sarobidy indrindra foinao ho an’Andriamanitra tokoa ve ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM