Inona no fihiram-baovao ao ampontsika isan’andro

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 22 Septambra 2016
Salamo 96,1 - 6
1 [Hira fifaliana noho ny hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra] Mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Mihirà ho an'i Jehovah ry tany rehetra. 2 Mihirà ho an'i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly. 3 Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony. 4 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin'ny Andriamanitra rehetra. 5 Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra. 6 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin'ny fitoerany masina.

MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO

SALAMO 96.1-6

Ny fihiram-baovao handidiana ny fiangonana

1-Milaza isanandro ny famonjena mahafaly

Manome andro vaovao isanandro Andriamanitra Tompo ary manampy antsika hihavao amin’ny fanavaozana ny saina hahay mamantatra ny sitrapon’ Andriamanitra . Raha namaky sy mandinika ny Soratra masina isanandro isika dia mahazo fiainam-baovao hanompoana ny Tompo . Mandidy ny fiangonana noho izany ny mpanao salamo hihevitra ireo zava-baovao nomen’ny Tompo , dia izay hitantsika ao amin’ny fanekena vaovao izany . Ny famonjena tao amin’i Jesoa Kristy dia tonga fihiram-baovao ao am-pontsika .

2-Manambara ny fahalehibiazan’ny Tompo

Izy no lehibe tokony hatahorana sady ambonin’ny andriamanitra rehetra . Antsoina mihitsy hoe : »Tompon’ny Tompo sy Mpanjakan’ny Mpanjaka »Izy . Nahary ny lanitra ary manao fahagagana tsy takatry ny saina Izy . Ny asany dia miavaka fa maneho ny fiandrianany amin’ny famirapiratana sy Voninahitra ary hery sy ny hatsarana . Midera ny hatsarany sy ny asany lehibe hatrany isika isanandro . Misaotra Azy amin’ny fanomezany fahasoavana ho antsika isika .

Fanontaniana :

Inona no fihiram-baovao ao am-pontsika isanandro ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM