Inona no fihetsika na fiteny mahazatra anao rehefa sendra tahotra ianao ?
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 20 Martsa 2021
JAONA 6.16-21
JAONA 6.16-21
16 Ary rehefa hariva ny andro, dia nidina ho any amin'ny ranomasina ny mpianany. 17 Ary niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa maizina ny andro tamin'izay, nefa Jesosy tsy mbola tonga tany aminy. 18 Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon'ny rivotra. 19 Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio* izy, dia nahita an'i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin'ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy. [*Na: dimy na enina kilometatra] 20 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra. 21 Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin'izay ny sambokely dia tonga tamin'ny tany izay nalehany.Inona no fihetsika na fiteny mahazatra anao rehefa sendra tahotra ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM