Inona no ataonao manoloana tsindry hazo lena manjo ny mahantra sy ny madinika ?
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 10 Septambra 2022
NEHEMIA 5.1-8
1 Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin'ny Jiosy rahalahiny. 2 Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin'ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary izahay mba hohaninay hivelomanay. 3 Ary nisy koa nanao hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta-hahazo vary izahay noho ny mosary. 4 Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran'ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka. 5 Kanefa mba tahaka ny nofon'ny rahalahinay ihany ny nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na dia izany aza, indreo izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy ho andevo, ary ny sasany amin'ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan'ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay. 6 Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany. 7 Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin'ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy. 8 Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin'ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny.1-Ampahoriana mandrakariva ny malahelo
Voalaza eto fa nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin’ny Jiosy rahalahiny , izany hoe: nitaraina amin’izay afitsoky ny Jiosy amin’ny Jiosy .Aseho eto fa nitondra ny mafy sy ny mangidy tokoa ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny , satria raha ambara amin’ny teny hafa ny zava-misy dia izao : voatsetsitra avokoa ny olona amin,ny ankapobeny , ary ireo olona tsy mba manana zavatra azo ianteherana ka atao ho fanavotana izay ananany na hanavotana ny zanany amin’ny fotoan-tsarotra , izany hoe : tsy mba manana zavatra azo atao antoka amin’ny zava-manjo azy mihitsy . Ny tena iharan’ny tsy rariny dia ireo olona sahirana indrindra .Efa nisy hatramin’ny taloha izany ny fiaraha-monina tsy mijery afa-tsy ny tombotsoan’ny olona manam-bola sy ny manankarena .Ny zavatra voatantara eto dia mbola hita eo amin’ny fiaraha-monina misy ankehitriny ihany koa .
2-Tsy ekena ny tsy rariny ataon’ny oloba amin’ny olona
Fihetsika mandeha ho azy ny fahatezerana tao amin’i Nehemia , raha mbola olona mahalala maharary amin’izay zava-manjo ny olona tahaka azy ihany , satria raha mihatra amin’ny tena sy ny vady aman-janaky ny tena moa ny olona voalaza eto ,moa eken’ny tena ve ary vita ve ny tsy hitady vaha-olana ? Manoloana izany dia tsy maintsy tadiavina ny vaha-olana hanampiana ireo olona voa mafy . Araka izany , tsy azo jerena fotsiny ny tsy rarainy ataon’ny olona amin’ny olona, tsy ekena ny fitsetsefana atao aamin’ny madinika sy ny mahantra fa tsy maintsy mamaha izany ny tomponandraikitra .
Fanontaniana :
Inona no ataonao manoloana tsindry hazo lena manjo ny mahantra sy ny madinika ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM