Inona no ataonao hitandrovana tsara ny antsonao?
Mofonaina anio: Talata, faha 07 Jolay 2020
MARKA 3.13-19
MARKA 3.13-19
13 Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo. 14 Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny 15 sady hanana fahefana hamoaka ny demonia. 16 Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera; 17 ary Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona, rahalahin'i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe Zana-baratra; 18 ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeana*[*Na: Zelota, izahao Lio.6.15] 19 ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.Inona no ataonao hitandrovana tsara ny antsonao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM