Inona no antony mahasarotra ny fifamindrana asa ? Inona no vahaolana heverinao ?

Mofonaina anio: Alarobia, faha 20 Jolay 2016
1 TANTARA 23.1-5
1 [Ny nanendrena an'i Solomona ho mpanjaka, sy ny nandaminana ny raharahan'ny Levita] Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara* Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin'ny Isiraely.[Heb. voky andro, na afa-pon'ny miaina] 2 Ary novoriny ny lehiben'ny Isiraely rehetra mbamin'ny mpisorona sy ny Levita. 3 Ary nisaina ny Levita hatramin'ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan'ny lehilahy. 4 Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin'ireo dia ataoko ho tonian'ny asa ao an-tranon'i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara, 5 ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an'i Jehovah amin'ny zavatra namboariko hiderana Azy.

1 TANTARA 23.1-5
Ilana fahaiza-mandamina ny asan’Andriamanitra

Fantantsika tsara fa ny Andriamanitra ivavahantsika dia Andriamanitry ny filaminana , mikendry fiadanana ho an’ny vahoakany . Koa amin’ny andraikitra rehetra apetrany dia tena ilaina ny fandaminana , na nyfanaka izany na ny olona indrindra moa fa ny asa .

Iomanana ny fifandimbiasana (and1)

Manamarika ny fitahian’ Andriamanitra ny olona ny hoe : ela niainana . Ary izany no ilazana an’i Davida eto nanomana izay handimby azy . Raha ny bokin’ny Tantara no jerena dia hita fa efa voatendrin’ Andriamanitra ialoha ho mpandimby an’i Davida i Solomona , ary izy no voatendry ho mpanorina ny Tempoly . Na izany aza dia natao ho fantatry ny rehetra izany fanendrena azy handimby ny rainy izany .

Zaraina ny andraikitra (and 2-5)

Ny fanisana ny Levita no nanombohana ny fandaminana sy ny fizarana ny andraiitra . Rehefa izany dia notsinjaraina ny asa araka ny sokajiny avy , ao ny hanao ny fanompoana ao amin’ny Tempoly , ny ho mpanapaka , mpitsara , ny hiangaly ny zavamaneno sy ny maro hafa . Miara-miasa amintsika hatrany ny Tompo amin’ny fandaminana ny asany .<br />

Fanontaniana :

Inona no antony mahasarotra ny fifamindrana asa ? Inona no vahaolana heverinao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM